Sport

Baolina Kitra Nisesisesy ireo fiofanana nokarakarain’ny UEFA


  • Alakamisy 06 Aprily 2023

Delegasiona mafonja avy amin'ny UEFA ( Baolina Kitra any Eoropa) no tonga eto amintsika efa ho herinandro izao.

Nanomboka ny 29 sy 30 martsa izany ka nahitana ireo teknisianina avy amin'ny UEFA namelabelatra ny fitantanana sy fitarihina eo anivon'ny baolina kitra izany. Nanasany ny rehetra moa io atrikasa io ary nahitana ny avy ao amin'ny FMF, MJS, Ministeran'ny Fampianarana ary ireo mikirakira mivantana dia ny mpanao gazety aram - panatanjahatena, ny mpanazatra, ny mpitsara eny fa na dia ireo mpijery mpanohana aza. Taorian'io dia anjaran'ny mpitsara beach soccer indray no niofana tany Toamasina niaraka tamin'ireo manampahaizana avy any Eoropa. Somary sarety lasa alohan'ny omby ihany anefa satria raha ny marina dia tokony natomboka tamin'ireo mpilalao noho ity taranja ity tena latsaka ambany raha ny zava-bita tany Mozambika farany teo ka nahatonga ny Barea ho isan'ny gisitra. Tsy dia mahagaga loatra anefa izany satria tsy ampy lalao ireo Barea ireo Tsy afaka ny handoa-danitra koa anefa satria na ny fifaninanam-pirenena aza tsy misy. Voatery noho izany ny mpanazatra Solofo Ramarolahy Nakache amin'ireo mpilalao fantany na dia efa nahazo taona aza no betsaka . Ny 3 sy 4 aprily kosa no natokan'ny UEFA hanantaterahina ny seminera mikasika ny baolim-behivavy. Laharam-pahamehan'ny FIFA rahateo raha ity baolina kitra vehivavy ity saingy tsy mety mahita vokatra tsara ny Malagasy satria miantehitra fotsiny amin'ireo tarika malaza sy hita maso ny tomponandrakitra. Tsy misy izany fampandrosoana isam-paritra izany hany ka ataon'ireo kalaza vono moka ireo miakatra avy any lavitra. Mila fifaninanana matotra ity taranja ity raha te ho tafavoaka saingy mampanahy ihany fa tsy afaka hatramin'ny mpitondra.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT