Sport

Baolina Kitra Nisaraka ady sahala ny Barea sy Angola


  • Zoma 08 Septambra 2023

Tsara ny zava-bitan'ny Barea omaly tany Lubango fa voatazony sahala samy tsy nitoko ny Palencas Negras.

Raha nisy kely foana aza dia mety nivoaka mpandresy ny Malagasy fa naverin'ny tsivalamby ny dakan'i Marco Iaimaharitra. Nisy dakan'i Rayan Raveloson koa fa tsy nanitsy ny tsatokazo. Mbola saika nahafaty koa i Tendry fa dia tsy nety e! Ity farany aza moa dia voatery navoaka nosoloina an'i Tsiry noho ny ratra nahazo azy. Naratra toa izany koa i Dorian raha vao niditra telo minitra fotsiny nisolo an'i Loïc Lapoussin. Tsara raha fehezina ny endri-dalao nasehon'ny Barea na dia somary nanova kely aza i Roro ka namerina an'i Melvin Adrien ka nanajanona an'i Nina izay somary tsy dia tao loatra. Tsara fiarovan-tena koa anefa isika Malagasy satria nipetraka teo anoloan'i Berajo sy Theodin ny rindrina be nahitana an'i Marco Iaimaharitra, Rayan Raveloson ary Lalaina CFFA .Nety na dia nanana fahasahina aza i Roro Rakotondrabe nampijoro voalohany an'i Fortun Titouan Safidy ilay kapitenin'ny FC Nantes latsaky ny 20 taona.Tsara ihany ilay zandrikely fa reraka ihany izy ka nosoloina an'i Dadafara. Raha izao nasehon'ny Barea izao aloha dia toa hita taratra sahady ireo mpilalao hiaro ny voninahitr'i Madagasikara amin'ny fiadiana ny Amboara eran-tany 2026. Ny any aloha dia ho sarotra ny hanary an'i Tendry sy Loic Lapoussin satria tsy dia naharesy lahatra loatra i Arnaud. Mbola misy ny fotoana hanamboarana indrindra raha mbola voatazona i Roro Rakotondrabe fa tsy afaka mitompo-teny fatratra satria ho vaovao indray izao no hitantana ny federasiona .Sa ve ny tonta ihany no havadibadika.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT