Baolina kitra

Nirava ady sahala i Madagasikara sy Maorisy


  • Alatsinainy 28 Aogositra 2023

Baolin'ny mpirahalahy! Izay azo amehezana ny fihaonan'i Madagasikara sy Maorisy ny sabotsy teo tao Mahamasina.

Marina fa tafiakatra ny Barea noho io ady sahala 1 noho 1 io fa na izany aza dia somary nandiso fanantenana ny mpijery izay tsy nahafeno kianja noho ny tahotra hody alina. Vao efatra minitra nilalaovana dia nahatafiditra baolina tamin'ny lohany i Tsiry. Ary dia nionona tamin'io isa tokana io ny Barea. Tsy hoe nionona fotsiny aza fa mbola nanodina mpilalao i Roro Rakotondrabe taorianan'ny fialan-tsasatra. Navoakany daholo ireo mafy be toa an-dry Fabien Boyer, Tendry, Tsiry, Dadafara ary Nicolas. Niova toa ireny naboridana ireny ary niditra ireo antsy faharoa nahitana an'i El Hadary, Tantely, Rado ary Toky. Ary dia tonga ho azy ny baolina matin'i François nanasahala ny isa . Mety hoe fitsapana ireo mpilalao fiandry no nataon'i Roro Rakotondrabe satria fantany fa efa tafita any amin'ny manasa-dalana izy saingy ny olona tonga hijery rindran-dalao tsara. Izay moa ny vokatra ka samy faly na i Roro na i Fidy Rasoanaivo satria mila mandresy Seychelles na manao sahala izy dia tafita koa ny Club M.Tena adin'ny mpirahalahy samy mpilalaon'ny FC BFV moa ka inona no holazaina rehefa nisaraka tsy nisy maratra.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT