Sport

Baolina Kitra Nifampiresaka ny Barea sy ny FMF


  • Alakamisy 14 Novambra 2019

Mbola matoam-baovao eto amintsika ankehitriny ny manodidina ny resaka Barean’i Madagasikara izay

 

 

eo am-panomanan-tena fatratra hihaona amin’ny Walia ibex Ethiopiana amin’ny sabotsy 16 novambra ho avy izao etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina. Tena mahaliana ny maro tokoa ny manodidina an’io lalao io ka mahatonga ny fanazavana manaraka tsy maintsy homena ny rehetra.

-Nitohy tetsy Mahamasina omaly ny fanazarantenan’ny Barea azon’ny rehetra natrehana. Ny maraina izy  ireo dia niara-nisakafo tamin'ny  mpikambana ao anatin'ny FMF notarihin'ny filohany Arizaka Rabekoto Raoul. Tamin’izany no nifampitana hafatra fohy sy nametrahana ireo vina sy tanjona miaraka hotratrarina. Nasehon'ireo mpilalao tamin'ny mpitantana ny kitra Malagasy ny fahavononany hiaro ny voninahi-pirenena sy ny endriky ny Kitra Malagasy eto Afrika sy maneran-tany. Efa tonga niaraka tamin’ireo namany ireo mpilalaon’ny Fosa Juniors Fc mirahalahy mandrafitra ny Barea izay. avy niatrika ny Pro League tany Mahajanga tamin’ny talata teo.  

-Anio alakamisy 14 novambra dia mbola azon’ny rehetra harahina ny fanazaratenan’ny Barea fa rahampitso zoma 15 novambra kosa no tsy azon’ny rehetra hatrehana intsony.

-Natao amin’ny 4 ora hariva ny fanombohan’ny lalao amin’ny sabotsy mba ho fanarahana ny didy navoakan’ny CAF amin’ny tsy azo hanatanterahana lalao eo ambany fiahiany intsony alohan’io amin’ny 4 ora hariva io (manerana an’i Afrika io).

-Efa tapitra tanteraka ireo tapakila fidirana eny amin’ny “Tribune Centrale” sy “Tribunes Laterales 2”

-Manomboka amin’ny 6 ora maraina amin’ny sabotsy no mivoha ireo vavahady rehetra ao Mahamasina sy fivarotana ny tapakila ho an’ny Gradin.

-Mbola eo am-pifanarahana tanteraka ankehitriny ny fahazoana mandefa mivantana amin’ny TVM  ny fihaonan’ny Barea sy Ethiopie amin’ny sabotsy.

 

Ntsoavina Evariste

 

                                   

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT