Baolina kitra

Niampy 3 ny malagasy lasa any Thailand


  • Zoma 02 Febroary 2024

Niampy 3 indray ny isan’ireo mpilalao baolina kitra malagasy lasa nila ravinahitra any Thailand.

Eo ilay tovolahy, 19 taona, antsoina hoe Henintsoa Fenohasina Rajaonarivelo, izay avokavoky ny US Pro farany teo ary nitondra ity ekipany ity tany amin’ny famaranan’ny Grand Tournoi d’Antananarivo. Hiaradia aminy any Azia any ihany koa anefa ilay vodilaharana, Dimitry Andriamiaromampianina, 19 taona ihany koa, sy Dillane Fanomezantsoa, lohalaharany 19 taona. Ireto farany moa izay samy voataiza tao amin’ny Toulon Football Academy. Ny Traill FC atsy Thailand, araka izany, no handray an-tanana azy 3 miralahy ireto manomboka izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Miisa 6, araka izany, ankehitriny ireo mpilalao malagasy mila ravinahitra ao Thailand ao satria ankoatra azy 3 mirahalahy ireto dia isany any koa ilay lohalaharana malagasy, John Baggio Rakotonomenjanahary, milalao ao amin’ny Sukhothai FC. Eo ihany koa i Njiva Rakotoharimalala, lohalaharana, sy ny irakiraka afovoany, Ibrahim Samuel Amada, izay samy milalao ao amin’ny Ratchabiri FC, divizionina voalohany ao Thailand hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT