Sport

Baolina kitra Niaka-dapa ny Barea


  • Zoma 10 Febroary 2023

Endrika mirana no nndraisan'ny Barea ny mariboninahitra "Chevalier de l'ordre national" omaly teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha.

Ankoatra ny fankasitrahana dia nahafaly azy ireo ny nahita ny fahavonon' ny filoha Andry Rajoelina hanampy. Amin'ny maro aza dia nanova zavatra be ny fanohanan'ny Filoha izay niantoka n' saran-dalana sy ny lalao fanomanana tany Tonizia miampy ireo kiraro fitondra amin'ny bozaka malama sy akanjo mafana satria tafidina hatrany amin'ny 4 degré C ny hatsiaka tany Constantine. Tena betsaka no nataon'ny Filoha, hoy i Jocelin Razafimamonjy ka tena hisaorana aza ny zava-bitany. Ho an'i Roro Rakotondrabe kosa Dia tena isan'ny angady nanana sy vy nahitana iny fandresena iny ny Filoha Rajoelina ary mino izy fa mbola ho tsara noho izay ny manaraka. Mandra-piandry ny CHAN manaraka anefa dia hanomanana ny Lalaon'ny Nosy i Roro sy ny ekipany. Asa izany tsy azo hamaivanina mba hamerenana indray ny medaly volamena votsitra tany Maorisy. Ny indro kely nanamaloka ny andro omaly dia ny nilazan'i Nicolas Dupuis fa lalao ho an'ireo tsy matihanina ny CHAN .Tena nalahelo ny ankamaroan'ireo mpilalao satria amin'izy ireo dia fanambaniana tsotra izao ity nataon'i Nicolas Dupuis ity. Raha vava tsy ambina nataon'i Noël le Graet tamin'i Zinedine Zidane no nahatonga ny fanesorana azy tsy hitondra ny federasiona frantsay dia tokony ho avela amin'izao ve ity vavan'i Nicolas Dupuis ity ? Dia ahoana hoy ireo mpanohana dimy alina mahery tonga nitsena ireto mahery fo "tsy matihanina" ireto .
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT