Sport

Baolina kitra Namoaka mpanazatra miisa 29 ny M'Hetsika MVola


  • Alatsinainy 17 Oktobra 2022

Tontosa ny faran’ny herinandro teo tetsy amin'ny ANS Ampefiloha ny andiany faha 4 amin'ny famaranana ilay hetsika antsoina hoe M'Hetsika MVola.

Izy io moa, raha ny fanazavana, dia fanomezana fampiofanana ireo tanora manan-talenta amin'ireo faritra sahirana eto Antananarivo. Tamin'ity andiany ity dia tanora miisa 29 indray no navoaka sy notolorana ny sertifika maha mpanazatra ny taranja baolina kitra rehefa avy niofana nandritry 5 andro. Tao anatin'ny 2 taona nisian'ny hetsika dia tanora miisa 138 no efa nisitraka izao fiofanana matihanina izao. Ny janoary 2021 no nivoaka ny andiany voalohany nahitana tanora miisa 36 izay nofanina ho mpanazatra sy mpanentana ara-panatanjahantena. Mpanazatra taranja Rugby miisa 37 kosa no navoaka ny desambra 2021. Mpanazatra basketball miisa 30 ny may 2022 teo ary dia izao namoaka mpanazatra taranja baolina kitra izao indray. Fiaraha-miasa eo amin'ny orinasa MVola, CUA na kaominin'Antananarivo renivohitra, ANS na akademiam-pirenena momba ny fanatanjahantena ary ny fikambanambe Axian hatrany moa izy ity, hoy hatrany ny fanazavana.
J.Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT