Sport

Baolina Kitra Nahita irakiraka tena tsara ny Barea


  • Talata 01 Aogositra 2023

Tsy mora ny nandresy an'i Mayotte izay vao avy nampitondra faisana ny ekipa voafantin'i Boeny (4 noho 0) saingy sendra ny Barea tongatonga ry zareo ny alahady teo.

Nazava ny fandresen'ny Barea CHAN izay hanao Lalaon'ny Nosy tamin'ny isa 3 noho 1. Baolina matin' i Tony (Elgeco Plus), Tendry ( Disciples) ary Tsiry (Fosa). Ny tena namiratra anefa dia i Ando Kely Disciples na Andy Rakotondrajoa no tena anarany . Tsy vodilaharana toy ny mahazatra azy rehefa Disciples izy teo fa irakiraka. Safidy tena nahitan-bokatra sahady satria baolina avy aminy ni matin'i Tendry ary fanafihana voaravany indray no tonga tany amin'i Tsiry ny baolina fahatelo.Tena nety ny nataon'iry zandry kely ity ary raha mitohy ny ezaka dia mety tsy azo hozongozinina izy aoriana kely. Mety any amin'i Barea mihintsy aza ary azoampiarahana amin'i Rayan Raveloson sy Marco Ilaimaharitra ao afovoany ao. Sa ve hoe toto-tanana dia tsy mahavita azy ?
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT