Baolina kitra

Nahazo diplaoma UEFA A i Bolida


  • Zoma 05 Aprily 2024

Tratra ny tanjona ho an'i Lalaina Nomenjanahary fantatra amin'ny solon'anarana hoe Bolida

satria dia azony ny diplaoma UEFA A amin'ny mpanazatra. Efa afaka mitazona klioba any Frantsa izany ny tovolahy na tsy Ligue 1 sy Ligue 2 aza saingy fianarana ny fiainana ary tsy tokony hitsahatra habatsara izany izy. Efa nanana andraikitra tao amin'ny ekipa fiandry an'ny Paris FC rahateo izy ary farany teo aza dia efa tao amin'ny staff an'ny Barea nandritra ireo fihaonana roa nanoloana ny Burundi sy Rwanda. Mbola i Bolida koa no nandeha tany Villarreal niresaka tamin'i Francis Coquelin ka ho hita eo ny tohiny fa ny azo antoka raha ho avy izy amin'ny fihaonana amin'ny 3 jona amin'ny fifandonana amin'ny Comores dia inoana fa tsy ahita irika tsy araky ny vavabe efa mandeha ireto Dakoma ireto. Mila maka traikefa aloha Bolida raha amin'izao fa tsy avy hatrany dia hieritreritra handray ny Barea na dia fantatra aza fa tena mifankahazo am-po izy sy ny filoha Alfred Randriamanampisoa.Mila manaja ny rafitra aloha ary mbola mila maka traikefa satria tsy vitan'ny fahaizana ara-taratasy fotsiny izany fa mila mahay mifandray amin'ny mpilalao ihany koa na fihetsika na fiteny. Tsara aloha hatreto ny nahazoana io diplaoma UEFA A io fa mila tohizana ihany ny ezaka. Farany ve tsy hotovy amin'i Pep Guardiola na Ancelotti. Izay no irarariana.
Clément RABARY


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT