Baolina kitra

Mitrandraka ireo katita ao Betafo ny Disciples FC


  • Alarobia 27 Desambra 2023

Tsy misy fampandrosoana marina raha tsy midina mijery ny any ambany ala

rehetra any. Izay indray no tetika hitondran'ny Disciples FC ny anjara birikiny ho fampandrosoana ny baolina kitra. Misy hetsika hokarakarain'ity klioha ity ny 27 hatramin'ny 30 desembra izao ao Betafo. Katita milalao baolina kitra no nataon'ny Disciples ny anaran'ity fifaninanana ity izay handraisana ny sokajin-taona anjara manomboka U10 ka hatramin'ny U17 ary misy koa aza ireo sokajy zokiny ao amin'ny diviziona voalohany. Ny tian'ny Disciples ahatongavana dia ny hanolotra fahafinaretana ireo mpitia baolina kitra. Tsy misaraka amin'izay koa anefa ny fitiliana ireo mpilalao mahay entina hanatevin-daharana ny Disciples miainga amin'ny sokajy zandriny. Toy izao ireo ekipa handray anjara : Antsirabe : FAV Lara, FFB, AS Valahara, FF3A, To Sportif, Antanambao, QLF FC, FOS ary Ajax Junior. Antananarivo : Dignitas, Disciples FC Ambositra : JSA sy Requin Bleu Betafo : Olympique Antanifotsy : Heto Sport Ambohibary : DAM
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT