Baolina kitra mila fanarenana

Mila miaro ny voninahi-pirenena manoloana an’i Kaomoro anio


  • Alatsinainy 18 Novambra 2024

Tanterahana anio 18 novambra amin’ny 10 ora alina ora Malagasy ny andro faha-6 farany eo amin’ny

fifanintsanan’ny CAN 2025 hifanandrinan’i Madagasikara sy Comores. Lalao izay efa tsy hampiova firy intsony ny vokatra teo amin’ny fifanintsanana satria efa tafita nanara-dia an’i Tonizia ny Kaomorianina izay manana isa 9 hatreto. Manan-danja lehibe ho azy anefa ny lalao anio, ary mbola zava-dehibe ihany koa ho antsika satria manan-danja lehibe eo amin’ny filaharan’ny FIFA sy ny CAF ny vokatra eo. Hanao izay ho afany hanala vela ny Kaomorianina teo anatrehan’ny tsy mbola naharesy antsika mihitsy tao anatin’ny fotoana naharitra, raha toa ka efa maro ireo ekipa Afrikanina goavana noreseny. Resiny amin’ny lafiny maro isika ankehitriny na eo amin’ny baolina kitra na ara-toekarena ! Mbola mijanona ho « bête noire » ho azy ireo anefa i Madagasikara na efa manatombo amin’ny filaharan’ny FIFA sy ny CAF, ary hiditra amin’ny fandraisana anjara faharoa amin’ny CAN izy raha toa ka indray mandeha isika. Tao anatin’ny lalao 11 farany nifanaovana, dia resintsika in-tsivy izy ary ady sahala roa. Nidiram-baolia 28, raha toa ka baolina 5 monja no nampidiriny. Andrasana izany izay ho vokatra anio, fa ny irariana dia ny hibatan’ny ekipam-pirenena Malagasy fandresena anio satria tafiditra anatin’ny fiarovana ny voninahi-pirenena anio. Mikasika ity fifanintsanan’ny CAN ity ihany, dia efa novalian’ny Kaonfederasionina Afrikanina na ny CAF ny fitoriana nataontsika mikasika ny lalao ny 11 oktobra 2024 nandavan’ny mpitsara ny baolina matintsika tokony ho nitondra fandresena nanoloana an’i Gambie. Azo raisina fa tsy mitombona ny fitoriana, ara-dalàna ny fanapahan-kevitry ny mpitsara, hoy ny CAF. Rehefa nojerena ny raharaha dia nanamafy ny vaomieran’ny mpitsara fa ara-dalàna ny fanapahan-kevitra. Nolazaina fa nisy fahadisoana nataon’ny mpilalao Malagasy tao anatin’ny faritra tsy azo ivalozana. Rariny ary araka ny lalàna ny fanapahan-kevitra. Ny zava-misy rehetra ankehitriny dia maneho sy manamafy fa tena marary ny baolina kitra Malagasy na ara-pitantanana na ara-teknika. Mila fanarenana miainga eny ifotony, mila fitantanana madio sy milamina fa tsy lalaovina sy potehina noho ny kilalao politika. Isan’ny nanamarika ny fahapotehana ny disadisa niainga tany amin’ny FMF, ny amboletra, ny fifanenjehana, ny hambo-po politika nampidirina tamin’ny baolina kitra, ny tery vay manta tamin’izay naha diavolana ny mpitondra toy ny resaka fanendrena mpanazatra, ny tsy fahaiza-mitantana ireo mpilalao, ny tsy fisian’ny jery lavitra,… Andrasana ny fakana lesona sy fanarenana aorian’izao faharavana izao raha hisy !
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT