Baolina kitra

Mijinja ny peta-toko sy tsy fahaiza-mitantana ny Barea


  • Alatsinainy 15 Aprily 2024

Niovaka ny didy tsy azo hivalozana fa tsy mahazo handraisana lalao intsony ny Kianja Barea.

Izay no valin'ny fitsirihina notanterahan'ireo solontenan'ny CAF. Vokany, mila mampahafantatra alohan'ny 11 aprily ny kianja any ivelany niantefan'ny safidin'ny ny Federasiona Malagasy ny Baolina Kitra mba handraisana ny lalao roa hihaona amin'ny Cœlacanthes sy Aigles Mali.Izay no vokany noho ny tsy fahaizana mitantana ny raharaha nefa anie dia mbola nisy fotoana tsara nanantanterana ireo zavatra notakiana. Voalohany amin'ireo fitakiana ny fanoloana ny bozaka izay maty hitsaka nandritry ny fety nokarakarain'ny fitondrana. Tsy misy mandeha koa ireo fanondrahana mihodikondina toy ny hita any amin'ireo kianja tena manaraka ny fenitra. Asa mety tsy matezatra angamba ny nataon'ireo Sinoa na ny fikarakarana azy no lasa goragora. Tsy natao ihany koa ireo fanampin'ny vavahady miditra sy mivoaka nefa iaraha-mahalala na dia nisy resaka intsony fa namono olona maro izany nandritry ny Lalaon'ny Nosy.Notakian'ny CAF koa ny hanaovana lalana ho an'ny kilemaina sy fidinana ho ao an-kianja hisorohana ny fifanisehana saingy tsy vita izany.Tsy nijanona eo anefa fa notakiany koa ny hampanaram-penitra ny efitra fidiovana ho an'ny mpilalao sy ny mpitsara. Notakiany koa ny tokony mba hananan'ny mpanao gazety toerana mitafo saingy mety tsy laharam-pahamehana ho an'ny filoha Alfred Randriamanampisoa izany satria ny azy toa vitavita eny an-tokontany rehetra eny ny firesahana amin'ireo mpikirakira vaovao akaiky azy. Ho sarotra noho izany ny rahataha satria raha any antanin'olona no hilalaovana dia mbola hitombo indray ny trosa. Ary mety hijanona ho 25 ihany ireo afaka entina. Raha handeha koa anefa satria efa betsaka no miteny hoe tsy aleo ve hajanona. Mety a !
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT