Baolina Kitra

Mihinana ny azony i Rakool


  • Alarobia 27 Septambra 2023

Mba lalina fa lasa resabe ilay Koloina Razafindranaivo na Rakool lasa any Frantsa.

Fa angaha moa tsy mba mahazo mankany izy nefa ny vola misy? Satria dia tsy maintsy volabe no azony taorian'ny fanapahan-kevitra ny Klioba Mouloudia d'Alger hisaraka aminy kanefa tokony hitohy hatramin'ny 2026 ny fiaraha-miasa. Ny zava-misy anefa dia tsy afaka milalao any Frantsa intsony aloha hatreto i Rakool satria efa nikatona ny fe-potoana fahazoana mifindra. Ny mahagaga kely dia mbola i Tota Rakotoarimanana filohan'ny CFFA indray no manao valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety sy manazava hoe any Frantsa fotsiny Rakool. Fa angaha moa raha niala tao amin'ny MC Alger izy dia miverina amin'ny klioba niaviany nefa efa lasa daholo ny vola 50 000 euros saran'izany fifindrana izany? Olona afaka mandeha amin'izay tiany izao Rakool satria dia efa tsy mana-tompo intsony. Ary azy tanteraka ny safidy sady efa misy vola io afaka hananganany orinasa ho azy hamelomany ny tenany. Efa niharitra ny mafy koa izy ka heverina fa hahita ny fomba rehetra hivelomany.Raha hanohy baolina kitra anefa dia aleo mianatra teny frantsay farafahatatsiny satria io no tsy nahatomombana ny fifandraisany tamin'ny mpanazatra Patrice Beaumelle.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT