Baolina kitra

Mety ho tsara toerana i El Hadary


  • Alatsinainy 16 Septambra 2024

Nahabe resaka ny mikasika an'i El Hadary farany teo.

Mahay izy ary tsy azo lavina izany saingy noho izy tsy manana klioba dia mbola nataon'i Roro Rakotondrabe fiandry. Ny vaovao farany mahakasika aza anefa dia tena mahavelom-bolo satria dia tafiditra amin'ny sehatra tena matihanina i El Hadary amin'izao fandraisan'ny Ptemium Sports Management ao anaty lisitra izao. Ity orinasa ity izay misehatra ho an'ireo mpilalao sangany aty Afrika izany no hitady klioba ho azy. Ary inoana fa tsy ho sarotra aminy ny manamora ny fifindrany avy amin'ny Saint Michel United any Seychelles izay nilalaovany farany. Mirary soa ho an'ity zandrikely ity ho tafita idany mba ho tombontsoa ho an'ny Barea izay fantatra ny fanajany sy ny fitiavany azy. Inoana fa mbola hanampy azy koa i Clovis rainy izay reharehan'i Mahajanga hatramin'izay. Any amin'ny El Hadary izany ny baolina satria izy hatreto no mahatakona an'i Loic Lapoussin izay sahirankirana noho izy lasa any amin'ny ekipa zandrin'ny Union Sportive Saint Gilloise.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT