Sport

Baolina kitra -Matsisatra Ambony Namoy mpiara-miasa zokiolona indrindra


  • Alarobia 13 Mey 2020

Tamin’ny harivan’ny alakamisy 7 mey 2020 teo no nidaosin’ny fahafatesana i Ralaivao Timothe antsoin'ny rehetra hoe Doyen ,CE “Mpikambana ao amin’ny komity mpanatanteraky ny baolina kitra teo anivon'ny ligim-paritry ny Baolina kitra Matsiatra Ambony”.

 

 

 

Izy dia anisan’ireo maintimolaly eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra tao Matsiatra Ambony ka tsy zoviana amin’ny rehetra ao Fianarantsoa. Efa filohan'ny Seksion'ny Baolina kitra izy Fianarantsoa I tamin’ny fotoanandrony,efa mpikambana teo anivon'ny LFB HM teo aloha sy izay mijoro amin'izao fotoana izao. Namela mamy ho an'ny Baolina kitra eto Fianarantsoa ny tenany tamin'ireo andraikitra nosahaniny ka hisaoran’ny ekipa rehetra ao amin'ny Ligim-paritry Baolina kitra Matsiatra Ambony izay tarihin'ny Filoha Ramatoa Myriame Raby izay asa rehetra vitany. Misaona , araka izany ny baolina kitra ao Matsiatra Ambony sy ny tontolon’ny baolina kitra amin’ny ankapobeny. Izahy eo amin’ny Tia Tanindrazana dia mirary fampiononana feno ary mankahery ihany ny fianakaviany.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT