Baolina kitra

Manomboka manao ny ataony sahady ny Elgeco Plus


  • Zoma 26 Janoary 2024

Handeha ho aiza ny baolina kitra raha toy ny tamin'ny manasa-dalanan'ny

Amboaran'i Madagasikara ny alarobia teo no fomba fanao ? Vao tsy nanomboka fotsiny ny lalao dia fantatry ny maro fa tsy maintsy handresy ny Elgeco Plus. Tsy afenina hatramin'izay mantsy fa tena akaiky ny filohan'ny Elgeco sady filohan'ny FMF, Alfred Randriamanampisoa, ny mpitsara afovoany, Andofetra Rakotoarijaona. Tsy vitan'izay anefa fa mbola i Jeannot koa no notendrena ho mpitsara an-jorony Ity farany anefa dia avy any Antsirabe 2 izay faritra nahalany ho solombavambahoaka an'i Alfred Randriamanampisoa. Ka na ianao tsy hietitreri-dratsy aza ve tsy mahatsapa hoe mamofompofona "mission" izany. Inona tokoa hoy ianao fa matin'i Dahery ara-dalàna ny baolina (70) saingy nolavin'ny mpitsara tsotra izao fa nisy lasa aloha hono ny mpilalaon'ny Disciples. Raha nekena anefa io baolina maty io dia resy ny Elgeco Plus fa tsy tonga tany amin''ny fanalavam-potoana izany. Matin'i Zola moa ny baolina tokana ka nahatonga ny Elgeco Plus tafita any amin'ny famaranana. Tezitra anefa ny mpijery baolina manoloana ny zavatra nataon'ny mpitsara ka saika tsy nivoaka velona tao ireo mpitsara. Tonga nanelanelana ny FMF saingy hatezerana no nasetrin'ireo mpilalaon'ny Disciples azy ireo. Mba hisian'ny fitoniana moa dia nilaza mihintsy ny federasiona fa hatao Barea ny maro amin'ireo mpilalaon'ny Disciples. Fa angaha moa izany no tokony hitondrana ny raharaha fa tsy efa Barea ve ry Tantely, Andy ary Tendry. Ny tsy azo lavina dia efa nahitana ireo klioba lehibe ny mifanena amin'ny Disciples dia lasa manaonao foana ny mpitondra.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT