Sport

Baolina kitra manerantany Nihemotra indray ny Barea


  • Zoma 24 Jona 2022

Miverina miandalana amin’ny heriny taloha ankehitriny ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra.

Miha manalavitra hatrany ny Top 100 satria raha mbola faha 103 no laharana nisy ny Barean’I Madagasikara ny volana martsa teo dia mbola nihemotra lasa faha 105 indray ankehitriny amin’ireo federasionina miisa 200 mpikambana ao amin’ny federasionina iraisam-pirenen’ny baolina kitra na FIFA. Lasa laharana faha 23 aty Afrika kosa raha toa ka faha 22 teo aloha. Mazava ho azy fa isan’ny nahatonga ny fiemorana ny vokatra azo nandritry ny andro 2 voalohany eo amin’ny fifanintsanan’ny tompondakan’I Afrika tato amin’ny sokajy E tany Accra - Ghana, farany teo izay nanamontsanan’ny Black Star atsy Ghana antsika tamin’ny isa 3 noho 0 sy ny mbola tsy fahombiazana nanoloana an’I Angola tamin’ny sahala 1 noho 1. Tao anatin’ny lalao miisa 10 farany nataony dia faharesena miisa 6 be izao no nihatra tamin’ny Barea. Sahala miisa 3 ary fandresena tokana monja. Manana 6 volana isika hanarenana ny zava-misy mba hiverenana ao anatin’ny 100 voalohany indray. Eo ny fifaninanana iraisampirenena Cosafa Cup, ny fifanintsanana hahazoana ny tapakila ho an’ny amboaran’I Afrika ho an’ireo milalao an-tanindrazana na CHAN ary mazava ho azy moa izany fa ny tohiny CAN amin’ny volana septambra. Mila fiomanana sy tekinika matihanina nefa izany fa tsy vitan’ny nofinofy sy ny lalao izay heritreretina hatrany fa tombony sy fanampina traikefa na sanatria faharesena aza. Zara raha 2 taona monja, izany hoe teo anelanelan’ny taona 2017-2019 ny baolina kitra Malagasy tao anatin’izay 60 taona izay dia mbola ionona amina faharesena sy lalao…“bonus” hatrany ve? Heverina fa tsy rariny intsony kosa angamba.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT