Sport

Baolina kitra Malagasy Zava-dehibe ny fananana toe-tsaina mpandresy


  • Alarobia 29 Janoary 2020

2 andro, omaly talata 28 janoary sy anio 29 janoary 2020 no nanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena “Conference Nationale sur le Football Malagasy”

 

 

na ny fikaonan-doham-pirenena momba ny baolina kitra Malagasy  teny amin’ny Mining Business Center  eny Ivato izay fihaonana  natokana  hakana ny hevitry ny rehetra mba ho fanatsarana an’ity baolina kitra Malagasy ity izay tena nampiombom-po ny Malagasy rehetra tamin’ny fahombiazana nasehoan’ny Barea tamin’ny niatrehany ny CAN 2019 tany Egyta. Ny minisitry ny tanora sy fanatanjahantena Malagasy no nanokatra ofisialy an’izany hetsika izany omaly teny Ivato ary anio alarobia kosa no hamoahana ny fehin-kevitra  tapaka tamin’izany dinika izany. Omaly taorian’ny fotoam-panokafana dia nisongadina ny famelabelarana fohy nataon’Atoa Nicolas Dupuis mpanazatra ny Barea tamin’ny fanolorana ireo hevitra heveriny fa hampandroso ny baolina kitra Malagasy sy ny toetsaina “Exellence” tokony hananan’ny mpilalao Malagasy eo amin’ny fiarovana ny voninahi-pirenena izay hampiarahana ny fianarana sy ny fahombiazana ara-panatanjahantena nampitain’ilay mpibata fonjamby kalaza Rosina Radafiarison ary ny famelabelarana ny maha zava dehibe ny baolina kitra tokony halain-tahaka eo amin’ny fiainana an-davanandro nataon’Atoa Arizaka Rabekoto Raoul Romain filohan’ny FMF.  Nozaraina ho kaomisiona 8 ahitana olona 18 ka hatramin’ny 23 olona ireo mpizaika nahatratra 170 tany ho any tamin’ity fihaonana ity.

Marihana fa nisy ireo tranoheva maromaro mampiseho ny fivoaran’ny kitra Malagasy tety ivelan’ny trano fivoriana.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT