Baolina kitra Malagasy

Voafidy ho filohan’ny FMF i Alfred Andriamanampisoa


  • Alatsinainy 16 Oktobra 2023

Tonga amin'ny tanjona niriany ihany i Alfred Andriamanampisoa izay voafidy hitantana ny federasiona malagasin’ ny

baolina kitra na FMF ny sabotsy teo tetsy amin'ny Novotel Ivandry. Vokatra efa nampoizina ihany satria izy hatreto no kandida nitety ireo ligy rehetra ary dia iny ny valiny. Filohan'ny ligy 14 no nandany azy raha 4 no vato azon'i Neypatraiky. Tsy nahazo vato kosa ny filoha Victorien Andrianony. Ary dia vakiana fotsiny fa mbola tafiditra tao anaty paikady an'i Alfred Andriamanampisoa izay tena nanenjika ity olona ity sy Arizaka Rabekoto Raoul izay tena tsy zakany. Vitany izany aloha ny valinady saingy mampametraka fanontaniana hoe ho zakany ve ny sehatra iraisam-pirenena raha tena sahirana izy miteny vahiny. Safidy moa ny an'ireo ligy saingy taloha anie efa nisy resaka hoe tokony tsy mahazo mitantana ny tompon'ny klioba satria dia izy no filoha mpanorina ary na dia niteny aza izy fa efa nomeny olon-kafa ny fitantanana ny Elgeco Plus dia mbola hita eny an-kianja izy miantsoantso ny mpilalao eny fa ny mpitsara aza.
Ny nahafantarana ity filoha vaovao ity dia ny fanohanany an'i Nicolas Dupuis ka iza no mahita fa ho averina indray ity vazaha ity. Asa anefa aloha fa eo am-piandrasana isika mahita azy satria ny lalàna malagasy aza efa mamaritra hoe tsy azo atao ny milatsaka ho fidiana indroa. Izy anefa efa depiote lany tany Antsirabe 2. Ireto ireo mambra vaovao voafidy ny sabotsy teo. Olona roa ihany no teo aloha dia Erick Raveloarison sy Rosario Mario. Ireto kosa ireo valo hafa dia Rabevahiny Arleme, Ratovohery, Pontiac Theophan, Edouard Benjamin, Tsitoara Serge, Rakotoarisoa Jhonny, Ratsimanotry ary Tanteliniaina Angelin.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT