Baolina kitra Malagasy

Vizana nanaraka ny fiainam-pirenena, simban’ny politika…


  • Talata 15 Oktobra 2024

Mandohalika tanteraka ny baolina kitra Malagasy hatreto, ary karazan’ny mijanona ho nofinofy ny hiakarana indray

amin’ny dingana famaranan’ny CAN 2025 ! Raha nanantena ny hibata fandresena ny ekipam-pirenena sy ny mpitia baolina kitra, mba hanana fanantenana kely, dia nitolefika sy very fanantenana tanteraka omaly satria dia resin’ny Gambianina 1-0, ka nanamafy ny fitazonana ny rambony ao anatin’ny Vondrona A, tsy manana sa afatsy 2, raha toa ka isa 6 i Tonizia, isa 5 avy ny Kaomorianina sy ny Gambianina. Kely ny herijika mba tsy hilazana fa tsy misy intsony. Mila mandresy an'i Comores i Tunisie ho an’ny lalao halina izay mbola tsy azo ny vokatra ; rehefa avy eo, dia mandresy an'i Tunisie sy Comore Barea amin'ny andro faha-5 sy faha-6, dia manao sahala i Gambie sy Comores, izay vao lasa faharoa isika. Tao anatin’ny fifanintsanan’ny CAN dia efa 5 taona eo isika izay no nahazo fandresena satria ny novambra 2019 nanoloana an’i Niger izay resintsika 6-2 tany an-taniny no fandresena farany azontsika, ary fandresena 1-0 teto Madagasikara lalao natao tany Toamasina no notadiavina hahafahana niakatra indray tamin’ny dingana famaranan’ny CAN kinanjo tsy vitantsika. Tao anatin’ny lalao 14, faharesena 7 sy ady sahala 7.
MITOTONGANA MANARAKA NY FIAIANAM-PIRENENA
Mitotongana manaraka ny fiainam-pirenena ny baolina kitra Malagasy, izay mila fanarenana. Betsaka ny antony, raha tsy hilaza afatsy ny fidiran’ny politika, ny fanaovana « cobaye » ny ekipam-pirenena, ny tandrametaka amin’ny resaka fotodrafitrasa,… Tao anatin’ny CAN 2019 tany Egypte no isan’ny tantara tsara indrindra ho antsika, izay efa zava-dehibe ny ezaka talohan’iny ka nahafantsika tonga tao anatin’io fifaninana kaontinantaly io voalohany. Nidiran’ny politika, natao fitaovana ny ekipam-pirenena, dia raikitra ny fanovana ny kianjan’i Mahamasina ho Kianja Barea saingy io tsy afaka nilalaovan’ny ekipam-pirenena io. Nidiran’ny Fanjakana hatramin’ny resaka fanendrena ny mpanazatra, dia raikitra ny an-kanovaova teo. Niadivana sy nenjehina ny Filohan’ny Federasionina, hany ka hatramin’ny Filoham-pirenena aza niditra an-tsehatra nanao vava be tamin’ny fotoan’androny rehefa tsy nifanaraka tamin’ny sitrapony ny resaka fahafahana mampiditra olona tamin’ny fitokanana ny kianja hoe : «fantatro daholo ianareo ireo, ho hitanareo ny hahazo anareo ». Natao izay hampidirana sy hamerenana ny akamakama tao anatin’ny fitantanana, eny fa hatramin’ny mpanazatra,… Tsy nanjary ny nafitsok’i Nicolas Dupuis, saingy nanaovana amboletra. Niaraha-nahita ny fiandrasana an-kendritohana an’i Eric Rabesandratana. Ny fikambanana nikarakara ireo sokajy zandriny sy namondrona ireo mpilalao taninketsa tany ivelany nenjehin’ny federasionina,… Nentina tamin’izay naharevorevo teo, ka na ara-politika na ara-teknika teo amin’ny lafiny fitantanana toa vao mainka nandrendrika an’ilay Barea. Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana vahoaka mpanohana fa tsy afa-manotrona,… Tena rendrika sy vizana, mila fanarenana, tena potika manaraka ny firenena vokatry ny tsy fahaiza-mitantana ! Mitombina tanteraka ny hoe : tandindon’ny tanjaka ara-toekarenan’ny firenena ny fanatanjahantena ka moa tsy vizana tanteraka izy izao ? Mbola afaka manarina ary mbola be no ho avy saingy mila politika ara-panatanjahantena sy fitantanana mahomby !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT