Sport

Baolina kitra Malagasy Tsy misy vokatra tsara azo amin’ny fifandirana


  • Alatsinainy 06 Septambra 2021

Tena ahiana hanimba ny baolina kitra ity tsy fitovian-kevitra na tena ady mihitsy eo amin’ny samy tompon’andraikitra, mba tsy hilazana fa efa tena manimba sy mamotika ny kitra.

 Efa ahariharihary sy haseho vahoaka mihitsy, ary ny olona tokony ho fitaratra amin’ny fampiombonana sy fandravonana amin’ny disadisa no manao vava be ho rem-poko rem-pirenena, fa manomana valifaty. Lasa resaka sady mamoaka no mampiditra satria resahina ny hoe: “firaisam-po” tamin’ny fitokanana ny kianja, saingy firaisam-po inona no hita ao anaty fifandrarangana valifaty. Ahoana moa no hitombin-tsaina ireo mpilalao? Mety misy karazana baiko samihafa mazava ho azy tonga any amin’ny mpilalao, fa izy ireo tsy miteny fotsiny. Tsy te hiditra lalina sy hitsara ny olona hoe iza no marina na iza no diso eo amin’ny Fitondram-panjakana sy ny FMF izay tokony hifameno sy hifanampy. Mila alamina amin’ny fo sy saina tsy miangatra ny disadisa, raha tena misy ny fitiavana sy finiavana hanandratra ny baolina kitra, fa tsy ho amin’ny tombotsoa manokan-dRakoto na Rabe. Mety samy milaza ho tia ny baolina kitra, mety samy te halaza hoe: izahay no tena miasa, saingy samy manana ny andraikiny izay mifameno, ary tokony ho ao anatin’ny fifanajana fa tsy fifanasoketana sy fanangana-tsandry lava. Ny hambo-po diso toerana no mitady hamotika ny kitra Malagasy, ary mety azo raisina ho samy tia tena na Atoa Andry Rajoelina na ny Filohan’ny FMF Atoa Arizaka Rabekoto Raoul FMF, dia lasa ilay ekipam-pirenena no simba. Aty amintsika irery no misy hoe tokanana ny Kianja Barea, dia tsy eo ny Filohan’ny FMF, fa ny Filoham-pirenena no te haneho fa tompon’ny baolina kitra sy ny ekipam-pirenena. Voafetra ihany anefa ny fahefany eo amin’ny rafitra mifehy ny kitra, ary mba mety manana ny heviny sy ny zavatra tiany hoentina amin’ny kitra ihany koa ny Filohan’ny FMF, saingy voafetra noho ny disadisa politika eo amin’ny roa tonta. Ny mpanazatra Eric Rabesandratana moa mety tsy manan-tsafidy fa manara-drenirano fotsiny ary mety boda ihany ny lohany manoloana ny zava-misy. Tokony samy mandinika, miresaka dia ampadeferina ny hambom-po, raha tena te hampandroso tokoa ny kitra. Mila hampanalavirina ny tontolon’ny kitra ny kajikajy politika.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT