Sport

Baolina kitra Malagasy Tsy maintsy iomanana ny sazy


  • Alarobia 02 Martsa 2022

Etsy amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy izany anio maraina ny maso na dia efa maro mpampahatsiahy matetika fa tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy aza ity raharaham-pitsarana handeha anio ity satria dia tsy manam-pahefana

 hitsara ny raharahan-tokantranon’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra, izay tafiditra anatina rafitra iraisam-pirenena, ny fitsarana tsotra. Rantsana iray eo anivon’ny federasionina iraisampirenena na FIFA ny FMF raha tsiahivina hatrany. Sarotra anefa ny hino fa tsy handeha ity fitsarana anio ity. Tsy maintsy iomanana noho izany ny sazy mifandraika amin’izay raha sanatria tokoa ka hisy fanapahan-kevitra hivoaka aorian’izay fitsarana izay, eny, raha handeha ity fitsarana ity. Azo lazaina fa tokony isaorana ny kaonfederasionina afrikanin’ny baolina kitra izay nampahatsiahy ny FIFA fa efa ela no tokony nandraisana fepetra ny fitantanana ny baolina kitra eto satria efa am-bolana maro izao no tsy nanana mpitantana izany FMF izany. Azo heverina araka izany fa raha tsy nisy tanan’ny CAF dia efa isan’ireo voasazy niaraka tamin’ny federasionina kenianina sy zimbaboeianina nanomboka ny 24 febroary teo koa isika. Ny 6 oktobra 2021 moa no nanao fivoriambe nanalana tamin’ny toerany ny filohan’ny FMF, Arizaka Rabekoto Raoul, ireo filohan’ny ligy isaky ny faritra miisa 22. Namaly ny antso avokoa ireo filoha miisa 21, ankoatry ny an’I Bongolava tamin’izay fotoana izay. Azo lazaina ho nanaraka ny dingana ara-dalana ireto filohan’ny ligy ireto tamin’iny lafiny iny saingy niteraka fahabangana ara-pitsarana na ilay antsoina hoe “vide juridique” kosa, hoy ny mpahailalana. Raha ho avy tokoa ary ny sazy! Iza no afaka sy tsy afaka ao anatin’izany? Ho sazy faobe ve sa ho isan’olona na ilay antsoina hoe “nominatif” no hiainga eo? Mety tsy ho afa-bela anatin’izany koa ve ireto mpitantana ligim-paritra voalaza teo ireto ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT