Sport

Baolina Kitra Malagasy Tonga handamina ny FIFA


  • Alarobia 14 Martsa 2018

Tonga eto Madagasikara nanomboka omaly 13 martsa ny solontenan’ny Federasionina Iraisam-pirenena momba ny baolina kitra na ny FIFA sy Kaonfederasiaonina Afrikanina na ny CAF.

 

 Miisa 3 izy ireo dia i Segbé Pritchett, mpiandraikitra ny mpikambana avy amin’ny Firenena Frankofonina, Véron Mosengo-Omba, Tale misahana ny fampandrosoana ho an’i Afrique-Caraïbes, ary i M. Luca NICOLA, Mpitantana sy mpandrindra eo anivon’ny FIFA. Anton-dian’izy ireo ny hijery ny toe-javatra tsy araka ny tokony ho izy nataon’ny mpikarakara ny fifidianana (CEN) sy ny Federasionina Malagasy (FMF) tamin’ny fifidianana teny amin’ny Seksionina sy ny ligy, ary indrindra hijery ny hanohizana ny fifidianana izay ho filohan’ny FMF. Tokony ho natao ny 10 martsa teo ny fifidianana filohan’ny FMF, saingy nahemotra. Tena fifidianana avo lenta sy hanehoan’ny mpifaninana ny tanjany ara-bola, toy ireny fifidianana filoham-pirenena ireny izy io. Etsy an-kilany, misaotra ny FIFA sy ny CAF ny fikambanan’ireo ligy tamin’ny anaran’ny filohany Jacques Ramaroson. Mangataka ny FIFA sy ny CAF mba handinika ny tokony hatao amin’ny fitohizan’ny fifidianana madio sy mangaraharaha ihany koa izy ireo. Efa tonga eto Antananarivo avokoa ireo filohana seksionina rehetra avy any Vatovavy Fitovinany, Matsiatra Ambony ary Bongolava, ka hangataka fihaonana amin’ny FIFA sy CAF hanazava ny zava-nitranga marina izy ireo, izay nisaotra sahady ireto rafitra ambony indrindra amin’ny baolina kitra ireto namaly ny fitarainan’izy ireo, ka hijery izay mahasoa ny Baolina Malagasy. Maniry ny mba hitohizan’ny fifidianana amin’ireo  faritra tsy mbola nahavita. Mandritra izao fandalovany eto Madagasikara izao dia hihaona amin’ny FMF, ny komity mpikarakara ny fifidianana (CE), ny Komity Olimpika Malagasy (COM), ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena Malagasy (MJS) ireto delegasionina ireto. Fandaminana sy famahana ny olana no atao ary manantena ny mpankafy baolina kitra fa tena hahitam-bokatsoa tokoa izao hetsika izao ary ho vita soamantsara tsy misy romoromo ireo fifidianana rehetra.


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT