Baolina

Kitra Malagasy telo no herin'ny Saint Pauloise


  • Zoma 22 Desambra 2023

Mbola tena manjaka ny mpilalao baolina malagasy atsy La Réunion ! Raha voahosotra ho

tompondaka ny Excelsior dia noho i Angelo, ilay lohalarana tao amin'ny AS Adema fahiny, izany namono baolina betsaka indrindra nandritra iny taom- pilalaovana iny, dia isan'ny be mpankafia koa ny AS Saint Pauloise noho ny fisian'ireo Malagasy telo tompon-toerana ao. Ankoatran'i Francois, Tana Formation teo aloha dia efa milalao any koa i Voavy Paulin ary farany teo taorinan'ny CHAN dia efa any koa i Rojo, ilay mpilalaon'ny Ajesaia taloha. Avy any aoriana makany aloha izany dia Malagasy no mandrindra ny fanafihana satria vodilaharana ampovoany no misy an'i François raha irakiraka i Rojo Be. I Paulin kosa dia io ilany havia ip ihany no tena manavanana azy. Mafy aloha ireto saingy rehefa jerena amin'ny maha R1 azy izany hoe diviziona fahaenina any Frantsay dia tena mbola sarotra ny hilalaovany any amin'ny Barea A. Efa mipoitra daholo koa ireo tena avo lenta toa an'i Rutter izay milalao ao amin'ny Leeds United, diviziona faharoa any Angletera na i Lois Diony izay lohalaharana ao amn'ny SCO Angers. Samy tsara ireo fa tokony jeren'ny mpanazatra Roro Rakotondrabe ihany na dia fantatra aza fa ny hitady mpiandry tsatokazo no mahamaika azy hatreto.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT