Sport

Baolina kitra Malagasy Tafiditry ny “werawera” niteraka faharesena


  • Zoma 03 Septambra 2021

Ratsy, tsy araka ny nampoizina ny vokatra tamin’ny lalaon’ny Barean’I Madagasikara sy ny Ecureuils-n’i Bénin. Kianja vaovao, mpanazatra vaovao,

 saingy nosantarina tamin’ny faharesena izany. Resin’ny Béninois tamin’ny isa 1-0, baolina matin’I Steve Mounié teo amin’ny minitra faha-22. Ara-teknika, hita taratra ny tsy fahampian’ny fanomanana satria raha hiverenana, dia ny 30 aogositra no tonga teto ny mpanazatra sy ny andiany voalohany tamin’ny mpilalao, ary ny 31 aogositra ny ampahany, izany hoe: 3 andro no nanomanana ny lalao. Nanindry tamin’ny lafiny rehetra ny Béninois tamin’ny fizaram-potoana voalohany satria hatrany amin’ny minitra faha-40 isika tsy nahita na dia “tir cadré” iray monja aza. Niova ny endri-dalaontsika tamin’ny fizaram-potoana faharoa, rehefa nisy ny fanovana mpilalao, ka nesorina I Voavy Paulin, ary nampidirina I Ramalingom. Niditra I Carolus nisolo an’Ibrahim Amada teo amin’ny minitra faha-75, ary efa tany amin’ny faha-90 minitra no nampidirina I Fabrice nanolo an’i Mombris. Nanovokovoka hatramin’ny farany ny Barea, indrindra tao anatin’ny minitra folo farany. Tany amin’ny minitra faha-79, nisy tolotra tsara avy amin’ny Lapoussin nankao amin’I Hakim Abdallah izay tsy nisy nanelingelina, saingy tsy voadaka. Mbola nisy ilay “coup franc nodakan’I Carolus teo amin’ny minitra faha-80. Mbola nisy baolina tsara ihany koa ny faha-81 minitra,… Ara-teknika, tsy ampy ny fiarahana sy fanomanana saingy na ny Béninois aza mitovy amin’izany, nialohan’ny namonjena an’I Madagasikara. Nahavita lalao fanomanana miisa roa kosa izy ireo. Hita taratra hatrany ny tsy mbola fananan’ny mpanazatra fitokisana ho an’ny mpilalao avy eto an-toerana, na mety hahavita zavatra tsara kokoa noho ireo mpila ravinahitra aza.
“WERAWERA” NO LASA ALOHA
Ara-politika sy ara-pitantanana, ireny niaraha-nahita ireny ny disadisa tsy nifankahitana. Taiza teto ambonin’ny tany no nisy Filoham-pirenena nahavita nandrahona ampahibemaso federasionin’ny baolina kitra raha tsy I Andry Rajoelina? Olana taminy ny tsy fahafahan’ny vahoaka mijery satria tsy afahafahana manao “werawera” sy midoka tena. Toa lasa “werawera” miteraka faharesena hatrany ny zava-misy satria ny finiavana hanao kisehoseho ivelany no lasa aloha. Miharihary loatra ny finiavana hanao fitaovana politika ny baolina kitra satria mahazo vahoaka sy mampiombona ny Malagasy. Tsabahana amin’ny politika, atao fitaovana ny mpilalao,… ary isan’ny antony iray tsy mampandeha ny kitra io, na mety eo aza ny olana ara-teknika. Efa niseho teto tamin’ny 2018, fony isika nandray ny ekipam-pirenen’I Soudan tetsy Mahamsina hoe: ekipam-pirenena hanao lalao iraisam-pirenena rahampitso, dia hampanantsoina any an-dapa ny hariva mialohan’iny, hany ka resy 1-3 isika. Iny indray fa mbola naverina io ny alarobia alina lasa teo, nantsoina teny Iavoloha ny mpilalao, nolazaina fa nomena tso-drano, saingy tsy nandaitra izany ny tsodrano teo. Ahilika any amin’iza indray ny tsy fahombiazana? Horoahina ihany koa izany izao ny mpanazatra Eric Rabesandratana satria tsy araka ny niheverana azy ny vokatra? Na resy na maharesy dia tiavina sy tohanantsika foana ny ekipam-pirenena, saingy mila zavatra goavana mila ovaina sy harenina ao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT