Baolina kitra malagasy sy ny ekipam-pirenena

Azo atao tanjona manaraka ny ho tompondaka!


  • Alatsinainy 01 Septambra 2025

Efa tody tany amin'ny manasa-dalan'ny Cosafa cup na ny fiadiana

ny amboaran'ireo firenena aty atsimon'i Afrika ny ekipam-pirenena malagasin'ny baolina kitra na ny Barean'i Madagasikara ny taona 2008, niaraka tamin'ny mpanazatra Frank Rajaonarisamba. Tafakatra tany amin'ny ampahefa-dalan'ny fiadiana ny amboaran'i Afrika na CAN 2019 avy eo niaraka tamin'ny mpanazatra, Nicolas Dupuis. Nahazo ny medaly alimo tamin'ny fiadiana izay ho tompondakan'i Afrika na Chan ny taona 2023, niaraka tamin'ny mpanazatra Romuald Rakotondrabe na Coach Roro. Niverina ho tompondakan'ny lalaon'ny nosy niaraka tamin'ity farany ihany koa tamin'io taona io ihany ary iny ny sabotsy teo iny moa isika dia tompondaka lefitry ny Chan 2025. Azo lazaina ho nisy fiakarana hatrany ny lentan'ny atao hoe ekipam-pirenena malagasy, araka izany, raha ny tontolon'ny fifaninanana iraisampirenena no asian-teny. Azo atao ihany koa hoe an-dalam-pahasitranana ity taranja ity na dia mbola ahitana lesoka aza ny fifaninanam-pirenena eto an-toerana. Ny coach Roro ihany aza moa no nilaza fa mbola avo lenta kokoa ny fifaninanana ho an'ny divizionina faha 4 ao Eoropa noho ny fifaninanam-pirenena ho an'ny divizionina voalohany eto an-toerana. Hita kosa nefa ny sabotsy teo fa afaka manome ny tsara indrindra avy amin'izy ireo ny mpilalao malagasy rehefa anatina fifaninanana iraisampirenena. Nahatongavana tany amin'ny famaranana iny ny Chan fa heverina ho azo ahatongavana amin'izany koa ny CAN manaraka andraisantsika anjara io, izay ho fandraisana anjara fanindroany toy ny Chan ihany koa, araka izany. Azo atao tanjona manaraka ny ho tompondaka!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT