Sport

Baolina kitra Malagasy Simbain’ny politika sy hambom-po diso toerana


  • Talata 31 Aogositra 2021

Tena tsara ny fanandratana avo ny voninahim-pirenena amin’ny alalan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena.

Matanjaka amin’ireo lafiny roa ireo ny firenena ambara fa mandroso raha tsy hiteny afa-tsy ny Etazonia, Frantsa, Chine, Royaume Uni…Tahaka izany koa ny aty Afrika toa an’i Afrika Atsimo anisan’ny sangany maneran-tany amin’ny taranja rugby, nanana mpihira nalaza manerana izao tontolo izao toa an’i Johnny Clegg sy Lucky Dube.Ny ao Cote d’Ivoire sy Senegal anisan’ireo firenena sangany amin’ny baolina kitra aty Afrika.Ary tamin’ny 2019 dia nisongadina ihany koa i Madagasikara, nanakoako maneran-tany , hafaliana tsy homby tratra ny an’ny Malagasy fa dia naharesy ny andrarezina Nizerianina ny Barea.Nitolagaga ny mpitantara baolina vahiny fa hoe tena nifoha tamin’ny torimasony ny baolina kitra Malagasy.Roa taona aty aoriana anefa izao iaraha-mahita izao ny zava-misy : tsy tafiakatra tany amin’ny CAN, vao aty amina fifanintsanana hiakarana any amin’ny Mondial 2022 dia efa savorovoro tsy hifankahitana noho ny olana tsy tokony nisy akory saingy nitranga satria tafiditra be loatra any amin’ny fanatanjahantena ny politika .Tadiavina ampiasaina hampirevirevena ny vahoaka mba hanadinoany ny fahasahiranany ny baolina kitra ; zavatra tokony hampiombona lasa mampizarazara, dia raikitra ny fifanenjehana sy famoahana dosie.Ary ny tena loza dia ny heverina fa ray amandreny lehibe eto amin’ny tany sy ny fanjakana dia ny filoham-pirenena mihitsy no mandrahona ny federasionina amin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ; f’angaha dia tsy mba nisy fomba hafa azo nifampiresahana mihitsy fa dia natao « spectacle » be alohan’ny fotoana tahaka ireny ilay izy.Tsy maintsy iny mihitsy ve no natao ? Izao lasa miteraka fizarazarana any anaty fiarahamonina ilay resaka satria tonga dia misy hoe : izaho momba an-dranona, izaho tsy tia an-dranona.Dia izany foana no handaniana fotoana eto.Raha taina ny hisian’ny fiovana sy fihatsarana dia ny mpitondra, mpitantana, mpitarika, manampahefana no tokony mampiseho fahendrena ho tahafin’ny vahoaka fa tsy sanatria manao vava tsy ambina isaky ny mihetsika dia mamono afo indray avy eo, na mitady izay hanilihana ny rihitra rehefa nahatsapa fa diso tamin’ny fanapahan-kevitra noraisina na ny paiakdy nampiasaina.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT