Sport

Baolina kitra Malagasy Nivoaka ny anaran’ireo kandidà ho filohan’ny ligy


  • Sabotsy 02 Desambra 2017

Navoakan’ny CNE Football na ny komity mpikarakara ny fifidianana eo anivon’ny FMF notarihan’ny filoha lefiny,

Rakotoharimalala Albert, tamin’ny fomba ofisialy omaly zoma 01 desambra tetsy amin’ny Motel  de Tanà Anosibe ny anaran’ireo kandidà hirotsaka hitantana ny ligim-paritry ny baolina kitra manerana ny Faritra 22 eto Madagasikara ka nahafeno ny fepetra rehetra  notakiana tamin’izany. Efa nambarantsika teto omaly fa misy ligim-paritra 3 no efa vita tamin’ny taon-dasa ny fifidianana tao amiiny ka tsy mamerina mifidy filohana ligy intsony dia ny any Anosy, Melady ary SAVA. Ao izany ny ligin’Alaotra Mangoro (ahitana kandidà 4), ligin’Amoron’i Mania (5)n ligin’Analamanga (2), ligin’Analanjirofo (4), ligin’Atsimo Andrefana (2), ligin’Atsimo Atsinanana (4),  ligin’i Betsiboka (1), ligin’i Boeny (6), ligin’i Bongolava (2), ligin’i DIANA (2),  ligin’i Matsiatra Ambony (1), ligin’Ihorombe (3), ligin’Itasy (1), ligin’i Menabe (4), ligin’i Sofia (1), lgin’i Vakinankaratra (6), ligin’i Vatovavy Fitovinany (1). Nisy kandidà 9 kosa Analamanga (1), Atsimo Andrefana (2), Matsiatra Ambony (2), Sofia (1), Vatovavy Fitovinany (3) no nolavina ny filatsahan’izy ireo noho ny antontan-taratasy tsy ampy na fahataran’ny fandrotsahana ho kandidà  ka manana 3 andro izy ireo (hatramin’ny hatramin’ny talata 5 desambra izao) hanaovan’izy ireo « appel » any amin’ny SG-n’ny Federasiona. Marihana fa hotanterahina amin’ny 15 desambra izao ny fifidianana rehetra manerana ny nosy. Navoakan’izy ireo ofisialy tamin’io omaly io koa ny anaran’ireo voafidy ho filohan’ny seksion’i Beroroha sy Ankazoabo,  ny filohan’ny seksion’Antanifotsy ary ny filohan’ny  seksion’i Tsiroanomandidy .

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT