Sport

Baolina kitra Malagasy Nanoratra ny tantara ny BAREA


  • Alarobia 17 Oktobra 2018

Ela ny ela ka tafita hiatrika ny lalao CAN ihany ny ekipam-pirenena Malagasin’ny taranja baolina kitra “Barean’i Madagasikara”, izay mendrika azy ireo tokoa araka ny efa notaterina teto amin’ny gazety Tia Tanindrazana ny alatsinainy 15 oktobra lasa teo noho ny ezaka goavana azo tsapain-tanana natao.

 

 

Resin-dry Faneva Ima sy ny tariny tamin’ny 1-0 tetsy amin’ny kianja sentetikan’i Vontovorona omaly talata 16 oktobra teo amin’ny andro faha-3 lalao miverina ny ekipam-pirenen’i Guinée Equatoriale “Nzalang Nacional”. Baolina matin’i Njiva teo amin’ny minitra faha-42 no niantoka an’io fandresena io. Manana isa 10 ankehitriny ny Barea ka tsy hampiova zavatra betsaka intsony ao amin’ny vondrona A misy azy ireo lalao 2 tavela  mbola hatrehany eo amin’ity fifanintsanam-bondrona ity. Zava-dehibe ho an’ny mpitia baolina Malagasy sy ny tantaran’ny ekipa nasionaly Malagasin’ny baolina kitra amin’ny ankapobeny izao nahatafitana hiatrika ny CAN izao satria sambany nisy an’izany tao anatin’ny 56 taona nijoroany izay. Faly sy ravo ny mpijery tonga nanotrona ireo mpilalaon’ny Barea teny Vontovorona ka saika nalai-nisaraka ny roa tonta fa nafotaka dia nafotaka ary saika tsy tapitra ny fanaovana “selfie” niaraka tamin’ireo mpilalao tsirairay avy. Niakatra ambony ny lentan’ny baolina kitra Malagasy ary efa maro ireo ekipa Afrikanina re fa maty lolo sahady noho izao dingana tsara vitan’ny Barea izao.

 

 Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT