Sport

Baolina kitra Malagasy Mitohy ny endrika famotehana samihafa


  • Alarobia 20 Oktobra 2021

Nanomboka tany amin’ny tsy fahatomombanan’ny fanomanan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na ny Barea ny fiadiana ny tapakilan’ny amboara eran-tany atao any Qatar amin’ny taona 2022 ny raharaha.

Tao anatiny tao ny disadisa tsy mety milamina hatramin’izao eo anivon’ireo mpikamban’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra izay efa tsy miafina intsony ny fisian’ny ankolafy miaraka amin’ny filohan’ny FMF, Raoul Arizaka Rabekoto, sy ny ankolafy miaraka amin’ny filohan’ny komitin’ny fanapahan-kevitra, Alfred Randriamanampisoa, izay tonga hatraty amin’ny fifanonganana mihitsy ankehitriny moa. Niseho indray iny omaly ny endrika tsy mitsinjo lavitra nataon’ny mpitantana ny klioba hany solontenan’ny Malagasy any amin’ny fifaninanana iraisampirenena afrikanina. Azo heverina ny mety ho famafan'ny kaonfederasionina afrikanina ity ekipa Malagasy nosakanana tsy handray fiaramanidina hanohy ny fifaninanan’ny amboaran’ny CAF ity ka raha vao miseho ny anaran’izany CFFA Andoharanofotsy izany amin'ny manaraka dia tsy hahazo handray anjara amin’ny fifaninanana afrikanina intsony. Efa nisy izany Akon'ny Soa Firegina izany, ohatra, nanao fialana an-daharana na “forfait” tahaka izao ihany koa tany amin'ny taona 1990 tany ary dia izay tokoa no nitranga. Amin’izao fotoana izao no mbola misy mpitantana klioba eto Madagasikara, izay sady mbola mpitondra fanjakana, ben'ny tanàna, kanefa dia mahagaga fa tsy mahatsinjo lavitra tahaka izao. Raha ny lazan'ny Barea ho nanao ampahefa-dalana na “quart de finaliste” tamin’ny CAN 2019 angamba dia heverina ho fanalam-baraka ny kitra malagasy izao. Tsy mety lavitra noho izao aza ve ny nataon'ny AS Adema izay tonga dia nisafidy ny tsy handray anjara mihitsy toy izay nitsoaka an-daharana tahaka ity? Hita ho mitohy hatrany, araka izany, ny endrika famotehana samihafa ny baolina kitra Malagasy.
(sary fanehoana)
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT