Sport

Baolina kitra Malagasy “Mila ovaina tanteraka ny rafitra”


  • Talata 30 Aogositra 2022

Zazalahy manomboka 6 hatramin’ny 20 taona hatreto no tezainay eo anivon’ny 67 City FC tao anatin’izay 7 taona niorenany izay,

hoy ny filoha lefitr’ity klioban’ny baolina kitra ity, Cedric Djavö. Mizara 2 lehibe ilay izy, hoy izy. Misy ny akademia izay manomboka 6 taona hatramin’ny 13 taona. hampianarina ny fototry ny baolina kitra mihitsy ry zalahy eo. Ireo manan-talenta sisa no tazomina manomboka eo amin’ny faha 14 taonany satria tsy manana fahafahana hitazona ny sokajy rehetra izahay. Mandray anjara amin’ny fifaninanana ho an’ny divizionina faharoa eto Analamanga miaraka amin’ireo mpilalaonay 17 sy 18 taona moa izahay. Ny hampiakatra azy ireo tsikelikely amin’ny dingana nasionaly no tanjona satria 5 taona ireo izay no voataiza tao. Tsy misy afa-tsy fanazarantena, fanofanana mpanazatra, ny enti-manana ampiasaina hahafahana manatanteraka izany rehetra izany no antoka hahatongavana amin’ny tanjona. Mbola ezaka be ny antsika eto Madagasikara na dia hita ho nivoatra ihany aza ny baolina kitra tao anatin’izay taona maromaro izay. Mbola betsaka no tokony atao, indrindra, eo amin’ny fanamboarana ny rafitra. Ny fitantanana ny baolina kitra mihitsy no mila fanamboarana hatrany ifotony satria na eo amin’ny fifaninanana nasionaly, sokajy tanora aza, angamba, efa 10 taona tsy nisy. Olana mbola tsy ahafahan’ny baolina kitra malagasy tena mandroso izany. Mila ovaina tanteraka ny rafitra. Ahitsy araka ny tokony ho izy dia avy eo miroso tsikelikely amin’ny lafiny maha matihanina eo amin’ny fitantanana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT