Sport

Baolina kitra Malagasy Lany ho filohan’ny FMF i Arizaka Raoul


  • Alatsinainy 26 Aogositra 2019

Lany ho filohan’ny Federasionina Malagasy amin’ny taranja baolina kitra na ny FMF Atoa Raoul Romain Arizaka Rabekoto, nanoloana an’Atoa Hery Rasoamaromaka tamin’ny fifidianana natao tany Mangily, kaominin’i Manombo any Toliara II ny sabotsy teo.

 

Isa 9 no azony tamin’ny fihodinana voalohany, raha toa ka 7 ny an’ny mpifanandrina ary 15 amin’ny 22 ny fihodinana faharoa raha 7 ny an’ny an-kilany. Fifidianana notarihin’ny « Comité de normalisation » tarihin-dRtoa Attalah Béatrice, notronin’ny solontenan’ny FIFA sy ny CAF. Hatomboka ny asa ka hiaraka daholo isika izany ho an’ny baolina kitra Malagasy, hoy Raoul. Napetraka ny atao hoe “vision” dia ny “ Madagasikara ho firenena lehibe eo amin’ny sehatry baolina kitra”. Maro dia maro ny laharam-pahamehana ka voalohany ny fametrahana fitantanana manara-penitra eo amin’ny Federasionina Malagasy ho an’ny baolina kitra. Hisy ihany koa ireo fifanaraham-piaraha-miasa izay natao niaraka tamin’ny FIFA, CAF, ONU, AFD, UNESCO,… izay maro be tokoa ka tsy maintsy atomboka avokoa, hoy izy. Mialoha izay anefa dia hametraka mpiara-miasa afaka miray saina sy afaka hiara-kanatanteraka ny fanamby lehibe ho an’ny firenena. Ny fitondram-panjakana no tena tompon’ny fandrosoana, ka tsy hisy ny olana amin’ny fiaraha-miasa ary miantso ny fitondrana mba hiara-kisalahy, hoy ny filohan’ny FMF vaovao. 

 

Ireto kosa ny anaran'ireo voafidy ao anatin’ny komity mpanatanteraka : 1-Andriatsimialona Sandrine Michele 2-Lay Mein Alexandre 3-Raherimino Mario Rosario 4-Randrianantenaina Lucien Luc 5-Raveloarison Eric Herve 6-Razafimamojy Jocelyn Alberto 7-Randriamanampisoa Alfred 8-Randriamisaotra Niry Justin 9-Jonarisoa 10-Victorien Andrianasy

Ntsoavina Evariste sy Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT