Sport

Baolina kitra Malagasy Hetsika 3 samihafa no indray hiseho etsy Mahamasina anio


  • Alarobia 09 Aogositra 2017

Hetsika 3 samihafa eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra Malagasy no indray hiseho ka harahin’ny mpanakafy an’ity taranja ity anio alarobia 9 aogositra etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina.

Ny voalohany izay hanomboka amin’ny 10 ora maraina dia ny fihaonan’ny ekipan’ny Uscafoot Analamanga sy ny Barean’i Madagasikara ho fanomanan-tena faramparany an’ity farany mialohan’ny lalao hifanandrinana amin’ny ekipam-pirenen’i Angola amin’ny alahady 13 aogositra ho avy izao eo amin’ny lalao mandroson’ny dingana faha-3 amin’ny fifanintsanana Chan Kenya 2018.Ny hetsika faharoa kosa dia tohin’ny 1/32-ndalan’ny “Telma Coupe de Madagascar 2017” izay hanomboka amin’ny 12 ora atoandro ka hifanandrinan’ny Disciples Fc Analamanga sy ny CNaPS Sport Itasy.Ary ny fahatelo dia fanatanterahana ny andro fahatelon’ny “Tournoi des As” karakarain’ny ligin’ny baolina kitra eto Analamanga ka hifanandrinan’ny As Adema sy ny Cosfa amin’ny 2 ora tolakandro.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT