Sport

Baolina kitra Malagasy Hanomboka ny 01 desambra 2018 ny taom-pilalaovana vaovao


  • Talata 09 Oktobra 2018

Nambaran’ny filohan’ny Federasiona Malagasin’ny Baolina Kitra, Andriamiasasoa Doda, teny Mahamasina taorianan’ny famaranana ny Telma Coupe de Madagascar 2018 ny alahady 7 oktobra teo fa hanomboka amin’ny 01 desambra 2018 izao ny taom-pilalaovana eo amin’ny taranja baolina kitra Malagasy.

 

 

Nambarany ihany koa fa tsy maintsy mifampiresaka amin’ny FMF amin’izao fiandohan’ny herinandro izao ny ekipan’ny Cnaps Sport Itasy sy ny Elgeco Analamanga izay hisolotena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika sy fiadiana ny amboaran’i Afrika taona 2018 fa tsy maintsy tonga any amin’ny CAF amin’ny alahady 14 oktobra izao ny anaran’ireo mpilalaon’izy ireo handray anjara amin’ireo fifaninanana ireo. Nomarihany fa ho tanterahina amin’ny 27 sy 28 novambra 2018 izao ny lalao savaranonando amin’ireo fifaninanana ireo. Mikasika ny lalao mandroso amin’ny fifanintsanana CAN Cameroun 2019 hifanandrinanan’ny Barea amin’ny ekipam-pirenen’i Guinée Equatoriale amin’ny sabotsy 13 oktobra 2018 ho avy izao kosa dia mbola nomarihan’ity filohan’ny FMF ity fa efa milamina ny fivahinianan’ny Malagasy any Malabo noho ilay fanampiana lelevola 15.000 dolara manokana nomen’ny mpikambana FIFA malalatanana sy tsara sitra-po iray.  Nomarihany farany fa ho tontosaina eo anelanelan’ny 15 oktobra sy ny 30 novambra 2018 ny Super Coupe de Madagascar hifanandrinan’ny Cnaps Sport sy ny Elgeco Plus.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT