Sport

Baolina Kitra Malagasy Haato ny fifidianana, hoy ny FIFA


  • Alakamisy 18 Janoary 2018

Araka ny fampitam-baovao voaray avy eny amin’ny “Maison du Foot-ball Malagasy” eny Isoraka dia nangatahan’ny rafitra iraisam-pirenen’ny baolina kitra eran-tany na ny FIFA haaton’ny FMF aloha ny “Processus electoral”

 

na ny zotram-pifidianana rehetra nokasaina hatao eo amin’ny sehatry ny baolina kitra eto Madagasikara ato ho ato mandra-piandry ny valin’ny fanadihadiana hataon’izy ireo avy amin’ny fandinihana an’ireo fitarainana marobe voarainy amin’ny savorovoro naterak’ireo fifidianana ligim-paritra natao teto. Hisy ny  iraka manokana avy any amin’ny FIFA ho avy eto Madagasikara hijery ny zava-misy marina. Na dia voalazan’ny fandaharam-potoana navoakan’ny CNE baolina kitra Malagasy aza fa tokony ho nanomboka omaly alarobia 17 janoary ny fametrahana ny antontan-taratasin’ireo te hirotsaka hofidiana ho filohan’ny FMF ary heno ihany koa fa efa vonombonona ireo anarana kandidà ho  amin’izany izay efa voatonontonona ombieny ombieny dia izao mbola miato izao aloha ny zava-drehetra. Efa voarain’ny Federasiona Malagasin’ny Baolina Kitra omaly alarobia 17 janoary ny taratasy ofisialy avy amin’ny FIFA nosoniavin’ny sekretera jeneraliny Rtoa Fatma Samoura mangataka io fampiatoana ny zotram-pifidianana io.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT