Sport

Baolina kitra Malagasy Fotoana hananganana ny ho avy izao


  • Alakamisy 24 Desambra 2020

Nisongadina ny fandraisantsika ireo lalao nihaonan’ny ekipam-pirenena

 

 

 

Malagasin’ny baolina kitra tamin’ny ivoarianina farany teo ary azo heverina ho vokatra tsara ireny, hoy ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra Malagasy. Ho an’ny filohan’ny fikambanana K2HB, Jean Ignace Randrianirina, dia tsy midika hoe mahafa-po anefa izany fa misy azo akana lesona hanatsarana ny hoavy na dia fivoarana tsara aza. Mampanahy tsinona ny lafiny mpandimby satria mety tsy tafiditra loatra amin’ireo lalao hoavy ary hampiova zavatra izay. Isany mampihena ny lanjan’ny baolina eto an-toerana ihany ilay fisiana mpilalao maro avy any ivelany ao amin’ny Barea, hoy ny fanazavany, satria lasa miraviravy tanana izy ireo. Misy fitaizana toe-tsaina mila amboarina ao, noho izany, hoy izy. Ho an’ny filohan’ny klioban’ny baolina kitra Kintana Akademia, Fidy Rakotondramasy, kosa dia nandalo sedra maro ny fanatanjahantena Malagasy. Isany ny baolina kitra noho ireny valanaretina nandalo maneran-tany ireny. Betsaka ny fifaninanana tsy raikitra. Zava-dehibe amin’ny taona hoavy ny fandresen’ny Barea ny Etiopia any an-taniny. Mafy ry zareo fa vitantsika io. Manana fotoana hijerena ireo mpilalao hasolo izay manana olana ankehitriny ny mpanazatra. Fotoana hananganana ny hoavy izao ary tsy tokony ho sakana amin’izany ny aretina. Ho avy koa io ny fifanintsanan’ny tompondaka eran-tany ka mila mijery ireo boay kely izay betsaka no manan-talenta isika, hoy hatrany izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT