Sport

Baolina kitra Malagasy Fa tena ho potehana mihitsy ve ?


  • Alarobia 30 Septambra 2020

Ny Filohan’ny Federasionina Malagasy ho an’ny baolina kitra (FMF) Atoa Arizaka Rabekoto Raoul henjehin’ny fanjakana noho ny raharaha fitantanana ny

 

 

CNaPS ary efa volana maro no nandao an’i Madagasikara. Nangatahan’ny mpitondra fanenjehana iraisam-pirenena. Ny mpitantana tavela eto an-toerana misavoritaka. Olana lehibe amin’izao ny resaka lalao fanomanantenan’ny Barea hita ho nikorontana. Ny 25 septambra lasa teo, nolazaina fa foana ny lalao ara-pirahalahiana hifanandrinana amin’i Burkina Faso tokony hatao any Maraoka ny 12 oktobra. Nanaiky ny handray ny lalao anefa ny Federasionina Maraokanina satria nisy ny feo nandeha fa nanao fanelanelanana ny Filohan’ny CAF Ahmad. Voalaza fa efa niomana manokana hifandona amintsika i Burkina Faso ary efa namandrika ny toerany handehanana any Maraoka. Ny alatsinainy 28 aogositra teo no tonga ny taratasy ofisialy avy amin’ny Federasionina Maraokanina manome alalana ny lalao. Tsy nisy fampahafantarana ofisialy an’io tao amin’ny Seraseran’ny FMF na dia taratasy ofisialy miantefa amin’io Sekretera jeneraliny aza ilay fankatoavan’ny Maraokanina. Mety hanana olana ara-diplaomatika amin’i Maraoka sy Burkina Faso ary mety tsy ho atokisan’ny firenena Afrikanina amin’ny lalao ara-pirahalahiana manaraka isika noho ny tsy fahamatorana. Nisy ny fotoana efa nanana olana ny FMF sy ny ministeran’ny  fanatanjahantena; tahaka izany ihany koa ny fitarainana amin’ny resaka fifantenana ireo izay handrafitra ny ekipam-pirenena.Tsy resahana intsony ahiahy amin’ny resaka fitantanana ireo vola fanampiana voaray.Ny Ekipam-pirenena hatrany no ahiana ho lasibatra noho ny tsy fahamatoran’ny fitantanana sy ny fomba fiasa hafahafa na ny fitsofohan’ny resaka politika any amin’ny fanatanjahantena. Dia ho sanatria ny politika na hambom-po diso toerana ve no hamotehana indray ny baolina kitra Malagasy izay efa nanomboka manana ny toerany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena .

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT