Sport

Baolina kitra Malagasy Amin’ny 24 aogositra 2019 ny fifidianana filohan’ny FMF


  • Alakamisy 13 Jona 2019

Ny filohan’ny “Comité de normalisation FMF”,Rtoa Atallah Beatrice notronin’ireo mpiara-miasa aminy sy ny solontenan’ny FIFA mandalo eto amintsika, Rtoa Sarah Solemane sy ny solontenan’ny

 

 

minisiteran’ny fanatanjahantena Malagasy ary ny solontenan’ny COM no nanokatra sy namarana tamin’ny fomba ofisialy ny fivoriambe tsy ara-potoanan’ny baolina kitra Malagasy natao tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly alarobia 12 jona  ka niantsoana an’ireo  ligin’ny baolina kitra miisa 22 eto Madagasikara hanatrika izany. Nankatoavin’ireo ligy 21  ara-dalàna tamin’izany ary ny fehezan-dalàna hanatsarana ny fizotran’ny fifidianana hatao sy ny vinavinana datim-pifidianana naroson’ity “Comité de normalisation FMF” ity ary efa nalefany tany amin’ny FIFA. Nifanarahan’ny rehetra fa nanomboka omaly  12  jona ka hifarana ny 12 jolay 2019 ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo maniry hirotsaka hofidiana filoha vaovao sy ireo hirotsaka ho mpikamban’ny komity mpanatanteraky ny FMF. 01 aogositra 2019 :  Famoahana ofisialy ny lisitr’ireo ekena hofidiana. 02 aogositra 2019 :  Fanaovana antsapaka an’ireo kandida ho filoha hapetraka amin’ny bileta tokana sy fidiran’izy ireo ao amin’ny haino amanjerim-panjakana. 08 aogositra-22 aogositra 2019 : fampielezan-kevitr’ireo kandida ho filoha. 24 aogositra 2019 : Fivoriambe hifidianana ny filoha vaovao sy ireo mpikambana ao amin’ny komity mpanatanteraky ny FMF sy  famoahana ny vokatra vonjimaika. 01 septambra 2019 : Famoahana ofisialy ny voka-pifidianana. 02 septambra : Famindram-pahefana eo amin’ny “Comité de normalisation” sy ny filoha vaovaon’ny FMF. 

 

Ntsoavina Evariste

                     

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT