Sport

Baolina kitra ligy 1 Analamanga 2018 Vonona ny ekipan’ny Uscafoot sy ny mpanazatra vaovaony


  • Zoma 16 Febroary 2018

Hanomboka amin’ny alahady 22 febroary izao etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina sy any amin’ny kianjan’i Carion ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’ny baolina kitra 2018 eto Analamanga ho an’ny sokajy « ligue 1 ».

Ho an’ny ekipan’ny Uscafoot Fivondronana Antananarivo Renivohitra dia nilaza ny fahavononan’ny mpilalao tantaniny i Hil de Cœur na Henintsonarivo Andry Hil de Cœur mpanazatra voalohany mitantana an’ity ekipa ity ankehitriny izay efa nitantana an’ity ekipa ity tamin’ny 2012-2015 fony izy mbola nitondra ny anarana IFC. Tanjonay amin’ity taom-pilalaovana ity, hoy izy ny hiditra ao anatin’ny ekipa 3 voalohany eto Analamanga hilahatra amin’ireo ekipa vaventy eto amin’ny ligy ka ao anatin’ny fanajana tanteraka ny fitsipiky ny lalao no hanatanterahana an’izany.

Any Carion

09:00-Fosa Jr Tanà # Mi 20 Fc

11:00-Cospn # As Adema

Etsy Mahamasina

10:00-Mama Fc # Cnaps Sport Tanà

12:00-Uscafoot  # Cosfa

14:00-Tanà Formation # Elgeco Plus

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT