Sport

Baolina Kitra- Ligue 1 Resin’ny FC Lorient ny PSG


  • Alatsinainy 01 Febroary 2021

Nandresy 3-2 ny Paris Saint-Gérmain ny FC Lorient omaly teo amin’ny andro

 

 

 

 

faha-22 amin’ny fifaninanan’ny Ligue 1 any Frantsa. I Neymar (45’ sy 67’) no namono ny baolina roa ho an’ny ekipan’i Paris, raha toa Abregel (36’), Wissa (80’), ary efa tany amin’ny minitra faha 91 no namono ny baolina fahatelo nitondra azy tany amin’ny fandresena tamin’ny alalan’i Moffi ny Lorient. Tompon-toerana avy hatrany ilay mpilalaon’ny Barean’i Madagasikara tamin’io lalao omaly io, ary isan’ny niady mafy hatramin’izay, ary tsy dia naratra firy, raha toa ka maratra i Thomas Fontaine ny 16 desambra, ka tsy afaka milalao mandritra ny 8 herinandro eo, tsy ho isan’ny mpilalao handrafitra ny Barea amin’ny fifanintsanan’ny CAN hifandonana amin’i Ethiopie sy Niger ny volana martsa izao. Noho iny vokatra omaly iny, dia nivarina any amin’ny laharana faha-3 vonjimaika ny PSG izay teo amin’ny laharana voalohany, raha toa ka laharana faha-18 ny Lorient hatreto, izay manana isa 18 hatreto. Mitarika kosa ny Lille izay manana isa 48, faharoa ny Olympique  Lyonnais manana isa 46, ary fahatelo kosa ny PSG amin’ny alalan’ny isa 45.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT