Sport

Baolina kitra « Ligue 1 » any Frantsa Mitombo ny isan’ireo voan’ny Covid-19


  • Alakamisy 25 Jona 2020

Nanambara ny tompon’andraikitra ao amin’ny klioba TFC Frantsay, tamin’ny talata 23 jona teo fa mpilalao miisa 4 no voamarina fa mitondra ny tsimokaretina covid-19

 

 

 

 

 taorian’ny niverenenan’ny fifaninanana baolina kitra tany Frantsa nanomboka tamin’ny alatsinainy 22 jona lasa teo ka nanaovana fitiliana avy hatrany an’ireo mpilalao sokajy « Ligue 1 » rehetra. Avy hatrany dia natao « mise en quarantaine » mandritra ny 2 herinandro izy 4 ireo. Tsy nitsahatra hatreo anefa ny fitaran’ireo mpilalao Frantsay mitondra an’ity tsimokaretina ity satria dia nanambara koa ankehitriny ry zareo mpitantana ny ekipan’i Paris-SG fa misy mpilalao miisa 4 hafa mitondra an’io tsimokaretina io koa ao amin-dry zareo. Marihana fa mbola notanana ny fepetra fametrahana elanelana eo amin’ny fiatrehana ny lalao atao ka voarara ny fifampikasohan’ireo mpilalao eny ambony kianja sy eny ivelan’ny kianja koa aza.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT