Sport

Baolina kitra Ligue 1 Analamanga Tompondaka 2019 ny As Adema


  • Alatsinainy 25 Febroary 2019

Ny As Adema Ivato no voahosotra ho tompondakan’ny baolina kitra Ligue 1 eto Analamanga 2019 rehefa nandavo ny ekipan’ny Cosfa miaramila taorian’ny fandakana ny « tirs au but » 5-4 tetsy amin’ny

 

 kianjan’i Mahamasina omaly alahady 24 febroary tolakandro rehefa nisaraka ady sahala 1-1 ny roa tonta teo amin’ny fe-potoana ara-dalàna 90 mn niampy fanalavam-potoana 30 mn. Nanohana  mavitrika ny ligy Alfa  tamin’ity fifaninanany ity ny orinasa orange  ka nanolotra amboara sy fanomezana maro ho an’ireo mpilalao. Anisan’ireo nahazo ny mpilalao nahafaty baolina be indrindra niisa 6  tamin’ny fifaninanana dia i Safidimanana (Cosfa), ny mpilalao mendrika indrindra dia i Fredo Jhonah ( As Adema), ny mpanazatra mendrika indrindra (Jhonny As Adema)   ary ireo mpitsara mendrika indrindra sy mpiasan’ny CUA 3.  Natolotra tamin’io omaly alahady teny Mahamasina io ihany koa ny amboara maha tompondakan’ny D-2 2018 ny ekipan’ny Five Fc Boriborintany faha-V.

Mbola hisy ny fiadiana ny ho tompondakan’ny sokajy D-2 2019 sy tompondakan’ny sokajy « jeune » ho an’ny ligin’Analamanga.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT