Sport

Baolina kitra « Ligue 1 » Analamanga Lavon’i Mama Fc 2-1 ny Cospn


  • Alakamisy 12 Aprily 2018

Tontosa omaly alarobia 11 aprily 2018 teny amin’ny kianjan’i Carion sy tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina niaraka ny andro faha-11 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’ny baolina kitra eto Analamanga sokajy « ligue 1 ».

 

 Nisongadina tamin’izany ny nandavoan’ny Tanà Formation 3-0 ny ekipan’ny MI 20 Fc sy ny nandresen’ny Mama Fc 2-1 ny Cospn. Lalao anisan’ny nandrasan’ny maro ihany koa tamin’ity andro faha-11 ity ny fihaon’ny Elgeco Plus sy ny As Adema izay nisaraka ady sahala 2-2.

Voka-dalao rehetra tamin’ity andro faha-11 ity :

Elgeco Plus 2 – 2 As Adema

Cnaps Sport Tanà 0 – 1 Cosfa

Fosa Juniors Tanà 1- 2 Uscafoot

Tanà Formation 3 – 0 MI 20 Fc

Mama Fc 2 – 1 Cospn

Marihana fa amin’ny sabotsy 14 aprily izao ny andro faha-12 amin’ity fifaninana ity izay ho tontosaina any Carion sy etsy Mahamasina toy ny mahazatra.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT