Sport

Baolina kitra Ligue 1 Analamanga 2020 16 ireo ekipa handray anjara


  • Alarobia 25 Septambra 2019

Raha novinavinaina ho ekipa 18 ireo handray anjara amin’ny fifaninanana fiadiana ny ho tompondakan’ny baolina kitra « Ligue 1 » Analamanga amin’ny taom-pilalaovana 2020 ity izay hanomboka amin’izao 2019 izao,

 

 

hoy ny filohan’ny ligin’ny baolina kitra eto Analamanga, Rakotoarimanana Tôta Henintsoa, tetsy Mahamasina omaly talata 24 septambra mba hahatrarana ny tanjona « doublée » ho an’Analamanga eo amin’ny fifaninanana nasionaly dia ho ekipa 16 ihany izy ireo, araka ny zava-misy farany. Nilaza ny tsy handray anjara tamin’ny ora farany manko, hoy izy, ny Mama Fc ary hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka ny diviziona « Elite » novolavolain’ny FMF tarihan’ny filohany vaovao hanomboka amin’ity taom-pilalaovana ity ny As Adema. Miankina amin’ny FMF tompon’ny fandaminana rehetra ihany anefa ny vinavinam-pandaminana hataon’ny ligy izany satria efa mandeha ny feo fa mety hoferana ho 10 isaky ny ligy ihany ireo ekipa mahazo mandray anjara amin’ny fifaninanana Ligue 1 rehetra. Hivoaka amin’ny talata heriny 01 oktobra 2019 ny fandaharam-potoana raikitra raha mijanona ho 16 ireo ekipa handray anjara  ary azo eritreretina hanomboka aorian’ny 05 oktobra ny fifaninanana ka ny kianjan’i Mahamasina sy ny kianjan’ny Elgeco Plus no hanatanterahana ny fihaonana rehetra.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT