Baolina kitra

Lasan'i Cameroun i Hervé Renard


  • Zoma 02 Febroary 2024

Tsy misy tsy vitan'ny vola raha resaka baolina kitra. Raha nolavin'ny Federasiona

Frantsay ny fangatahan'i Côte d'Ivoire ny mpanazatra Hervé Renard dia re izao fa nanaiky hitondra an'i Cameroun mandritry ny roa taona izy. Efa mpanazatra ny ekipa frantsay vehivavy anefa i Hervé Renard ary tsy afaka miteny hoe ratsy karama satria raha azony teo ny tompondaka eran-tany dia mety 600 000 euros ny tambiny ho azony. Raha nitazona ny ekipan'i Maroc izy teo aloha teo dia nahatratra 60 000 euros isam-bolana ny karamany. Eritrereto ary ny omen'i Samuel Eto'o, filohan'ny federasiona any Cameroun, an'i Hervé Renard matoa ny Frantsay aza nialany. Efa izy no nahatonga an'i Zambia ho tompondakan'i Afrika tamin'ny 2012 ary mbola izy koa no nanazatra ny Côte d'Ivoire tamin'ny 2015 nahazoany ny amboara. Efa tena zatra aty Afrika ny lehilahy ary rehefa hiantohany ny fivezivezeny mitady mpilalao sy mandresy lahatra dia mahita vokatra foana izy. Oviana izany ny FMF no hanana vola be hanaramana mpanazatra toa an'i Hervé Renard satria ny 20 tapitrisa ariary isam- bolana noraisin'i Nicolas Dupuis aza nampiteny ny moana. Mbola tsy misy resaka moa ny an'i Roro Rakotondrabe amin'izao satria mbola tsy misy fifanarahana matotra nefa mampanontany tena ihany hoe mba mandray 2000 euros isam-bolana ve izy ?
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT