Sport

Baolina kitra Lasa resaka PFL sisa


  • Alarobia 08 Mey 2024

Tsy misy maha Amboaran'i Madagasikara intsony satria mbola nomena tombony ireo ekipa amin'ny Pure Play

Football League tamin'ny antsapaka hany lasa izy ireo sisa no mifanena amin'ny ampahaefa-dalana. Izay Amboara izany anefa dia fomba iray ho an'ireo ekipa heverina ho kely na mivoaka fokontany mihintsy aza no mihaona amin'ny ekipa milalao amin'ny diviziona ambony. Tsy izay ny eto amintsika fa na misy antsapaka aza dia hatao antsokosoko ka aiza moa ny olona tsy hieritreritra hoe mety Ajesaia indray izao no midona amin'ny Elgeco Plus satria heverina fa ity mpilalaon'Antanikatsaka no gana malemy ao anatin'ireo valo tafita amin'ny ampahaefa-dalana. Mbola misy ireo lalao roa tsy vita aloha hatreto saingy valiana fotsiny izay hivoaka mpandresy. Ho sarotra amin'ny ASED mantsy izany handresy ny Elgeco Plus ny 12 may ho avy izao. Azy ny kianja, azy ny mpijery ary mety mbola hotongilana any amin'ny Elgeco Plus koa aza ny mpitsara. Ny mety hiady amin'io daty io ihany dia ny fifandonana eo amin'ny Fosa Juniors sy ASA izay vao avy nandresy ny FC Landrique 4 noho 0. Ny enina ambiny dia ahitana ny Uscafoot izay nandresy ny Mama tamin'ny isa 2 noho 0. 2 noho 1 kosa no nandresen'ny Inate FC Rouge ny FC Ilakaka. Ny Ajesaia, Disciples aty CFFA no mameno ny isa ary dia miandry ny antsapaka ampahibemaso ny mpitia baolina kitra rehetra mba hialana aminlny kitranoatrano. Ny ahiahy rahateo tsy hihavanana.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT