Sport

Baolina kitra Lasa any Libye koa i Tsiry


  • Zoma 03 Febroary 2023

Novidian'ny Libyanina koa i Tsiry. Hilalao ao amin'ny club Al Attihad koa izy. Saingy hatreto dia try fantatra ny sandan'ny fifanarahana tsy toy ny tamin'i Rakoul.

Inoana anefa fa tsy maintsy be lavitra noho ny atsy La Réunion sy Maorisy satria tsy hanaiky lembenana ireov vazaha tompon'ny Fosa Juniors izay nandoa volabe taminy Ajesaia. Mety ny an'i Tsiry fa i Roro no voa mafy amin'ny CHAN manaraka satria tsy misy Tsiry sy Rakoul ary Tsito sy Rojo Be Izzy efa tsy lasa any amin'ny St Pauloise. Tsy maintsy mamorona indray aloha i Roro raha te handeha lavitra amin'ity CHAN atao afaka roa taona ity. Raha ireo banga ireo aloha dia mety ho sarotra hatramin'ny medaly volamena ny Lalaon'ny Nosy etsy Mahamasina. Raha tsy hoe angaha dieny izao dia omena vola i Roro Rakotondrabe mba ahafahany mijery izay rehetra any ambany ravin-kazo rehetra any .Ny tombony dia tsy maintsy hanao tsy omby aloha ireo mpanao politika hanampy noho ny fifidianana ho avy. Mba marina moa !
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT