Baolina kitra

Lasa any amin'ny Disciples i Drogba


  • Alakamisy 29 Febroary 2024

Nahazo mpabagika tsara indray ny Disciples FC.

Re mantsy izao fa efa nifindra any i Razanakoto Tsilavina fantatra amin'ny solon'anarana hoe Drogba noho ny fahaizany mamono baolina.Efa voantso Barea aza ny tovolahy talohan'ny nandraisana anjara tany amin'ny CHAN tany Alzeria saingy noesorina tao izy taorianan'ny nifamaliany tamin'ny mpanazatra Roro Rakotondrabe. Nitondra namana teny Carion izy tamin'izany izay tsy azo atao dia izay no niteraka ny tsy fifanarahana ary nahatonga ny tontolon'ny baolina kitra nisokajy azy ho toy ny maditra. Izao anefa dia tsy hoe nantsoina izy fa tonga ho azy tao ary ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe voafehin'ny mpanazatra roalahy Mamisoa Razafindrakoto sy Rija Juvence Rakotomandimby ve i Drogba ? Asakasany ihany io satria tena manana talenta izy fa noho io toetrany io dia tsy ahita klioba hanaiky ny ditrany izany. Raha ny fampitahana anefa dia tena mbola mahay i Drogba noho ireo efa lasa any ivelany toa an'i Rakool, Tsiry Kely ary Arnaud. Miankina aminy izany ny ho aviny ary raha miverina mamiratra izy ao amin'ny Disciples dia hivoha ho azy koa ny varavaran'ny Barea CHAN. Ary tsy hijanona hatreo fa farafaharatsiny La Réunion dia ho lasa patiraon'omby toa ireo nialoha lalana. Voavy Paulin, Roland Kely, Baby, Frédéric, Said,.Urbain sy ny maro izao efa tena afaka.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT