Baolina kitra-Katita Milalao

Tsara toerana ny Disciples


  • Zoma 29 Desambra 2023

Nitohy omaly teo amin'ny Kianja ao Betafo ny fifaninana karakarain'ny Disciples FC

amin'ny sokajin-taona rehetra. Fahombiazana avy hatrany no hilazana azy satria tsy vitan'ny hoe tonga maro ny olona fa isan'ireo klioba misongadina ihany koa ny Disciples. Teo amin'ny latsaky ny 9 taona izao dia resin'ny Disciples FC 2 noho 0 ny Dignitas 2.Teo amin'ny latsaky ny 11 taona indray dia mbola nandresy ny FFJA 2 noho 1 indray ny Disciples.Nirava ady sahala 1 noho 1 indray ny Disciples sy Ajax teo amin'ny latsaky ny 17 taona. Toy izao kosa ireo vokatra hafa tamin'ny lalao omaly. U9 : Dignitas # JSA...1 noho 0 FFB # FAV...1 sy 1 AS Valahara # Disciples 1 ...2 noho 0 U11 : Requin # DAM Ambohibary...2 noho 1 FAV # FFB...2 noho 0 Dignitas # AS Valahara...2 noho 0 U13 : Hero Sport# Requin...2 noho 0 To Sportif # JSA Ambositra...1 sy 1 FFJA # Disciples...5 noho 0 Dignitas # FAV...1 noho 0 U17 - Antanambao # DAM...4 noho 0 FFB # Requin...2 noho 0 JSA # Hero Sport...2 noho 1 To Sportif # QLF...2 sy 2 Ajax # Disciples... 1 sy 1 FFJA # Lynx... 3 noho 1 Seniors Olympique # To Sportif...2 sy 2 Lynx sy 3A...3 noho 0 Olympique # FFSA...1 noho 0.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT