Nanokatra ny fankalàzana ny faha 5 taona nijoroany tetsy amin’ny kianjan’i Betongolo ny
sabotsy sy alahady teo ny sekolin’ny baolina kitra JSEM. Lalao baolina kitra nandraisana ekipa miisa 20 anjara no nentin’izy ireo nanamarika izany ary nampitondraina ny anarana hoe «JSEM Tournament». Amin’ny herintaona toy izao kosa no famaranana izany, hoy ny fanazavàn’ny filohan’ity sekoly ity, Rasoloherimanalina Tanjona. Araraotina ny fotoam-pialàn-tsasatra, hoy izy, hanabeazana ireo taninketsa amin’ny alalan’ny fifaninanana na lalao ara-panatanjahantena toy izao. Tanjona ny hamolavola ireo ankizy ireo ho any amin’ny sehatry ny matihanina. Olana eto Madagasikara ny tsy fahampian’ny fifaninanana. Ny taona 2021 no nitsanganana sy nandraisana anjara voalohany tamin’ny fifaninanana antsoina hoe «Tournois Doritos les relèves», izay nokarakarain’ny mpanazatra ny ekipam-pirenena teo aloha, Nicolas Dupuis. Tonga tany amin’ny famaranana tamin’izany ary nandia lalana maromaro avy eo ary tompondaka tamina fifaninanana maromaro ihany koa. Manomboka eo amin’ny faha 5 taonany dia efa azo raisina ato ka hatramin’ny faha 17 taona. Manodidina ny 400 isa ireo ankizy ireo izao. Ny ankamaroan’ireo ankizy novolavolaina teo amin’ny faha 17 taonany tamin’izany 2021 izao efa milalao amin’ny PFL sy divizionina voalohany ny ankamaroany. Ny fikambanana FIF Mada no mpiara-miasa tsy niato hatramin’izao. Ny orinasa I’m style kosa no manao ny fanamiana. Isan’ny mpanohana koa ireo ray aman-drenin’ireo beazina izay manana orinasa. Miezaka isika manabe ary raha mitohy izay ezaka izay dia tokony hanana mpandimby ireny nanao CAN 2019 ireny isika afaka 10 taona. Ireny tsinona nivoaka tany anaty akademia daholo ny ankamaroany, hoy hatrany ny tenany. Zava-dehibe ny fifanohanan’ny samy malagasy, hoy kosa ny FIF Mada. Ny FIF Mada rahateo, hoy ny filohany, Raharijaona Jean François, dia misehatra anatin’ny fanabeazana ny olompirenena ho olom-banona sy olom-bonona ary ho tomponandraikitra. Anatina hetsika toy izao, hoy izy, no mila hanehoana ny fahaizana mifanampy mba hipaka any amin’ny tokony hiantefany ny entina ifanampiana sy ilay fanabeazana. Isan’ny tolo-tanana, ohatra, ny fanomezana rano sy fanampiana izay zaka, araka ny fomba fitenenana hoe ny herikerika maha tondra-drano, biriky mitambatra mahavita trano, hoy hatrany ny tenany. Nangonin’i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.